28 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona— Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Tsy sitrapon’Andriamanitra ny ady fa ny maha olombelona izay te hanatanteraka ny sitrapony no mahatonga izany, ka miala lavitra amin’ny tenin’Andriamanitra mihitsy. Andriamanitra dia tia ny olona ary izany fitiavana izany dia mahatonga azy hanaja ny fahafahany. Afaka manao ny tsara sy ny ratsy ny olona. Samy mahay ny tsara sy ny ratsy isika tsirairay.

Eny tsy azo ihodivirana ny ady eto amin’izao tontolo izao ary tsy matahotra ny hilaza izany amintsika ny Tompo, ary manasa antsika Izy mba hanontany tena fa tsy ho very finoana. Lazainy amintsika mihitsy aza fa alohan'ny Fiverenany dia "hikorontana". Ary ankehitriny isika dia mahita horohoron-tany maro, rivo-doza maro, tondra-drano, fihotsahan'ny tany, ary vao mainka mahita izany isika satria misy ny fifandraisana (televiziona, radio, internet, sns). Ary aoka tsy hohadinointsika koa fa ao amin’ny andalan-tSoratra Masina iray hafa no ilazana amintsika fa tsy misy mahalala ny fotoana hiverenan’ny Tompo.

Te hampiseho amintsika ny Tompo fa tsy misy olona afaka amin’ny loza, na olombelona na zava-boaary, ka tsy misy afaka miteny hoe: Tsy ho faty aho anio na rahampitso. Ary noho izany dia miantso antsika izy hisaintsaina ny fiafarana manoloana ireo fisehoan-javatra ireo, ny amin’izay ataontsika eo amin’ny fiainantsika. Inona no zava-kendren’ny fiainako? Ny fahombiazana eto amin'ity izao tontolo izao ity sa ny famonjena ny fanahiko, ary noho izany ny fiainako mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra? Tsy tokony hanimba antsika ny zava-mitranga mahatsiravina eto amin’izao tontolo izao fa ny mifanohitra amin’izany kosa no mahatonga antsika hitodika amin’ny Tompo amin’ny vavaka feno finoana sy fitiavana ary fanantenana.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...