17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.
Sabotsy 25 jolay 2020 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 20-28 — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo.
Zoma 24 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 18-23 — Sambatra ianareo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Alakamisy 23 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 10-17 — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Alarobia 22 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9 — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Talata 21 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian'ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
Alatsinainy 20 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.
16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.
15 jolay — Jean Fidanza no tena anaran’i Bonaventure, teraka ny 1221 tao Bagnorea (Bagnoregio) akaikin’i Viterbe. Mbola zaza izy no narary mafy ka nivavaka ny reniny, nitalaho tamin’ny vavak’i Masindahy François. Sitrana soamatsara izy tamin’izany.
14 jolay — Teraka ny taona 1550 tao Bucchianico i Camille. Mbola kely izy dia maty ny reniny ary tsy dia nisy niraharaha loatra ny fanabeazana azy. Nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Venise izy avy eo tao Naples. Nanamarika ny fiainan’i Camille ny fitiavany lalao ka mahavery ireo fitaovany sy ny fitaova-piadiana tany aminy.
Alahady 19 jolay 2020 — Alahady faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-43 — Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco