Noresahina nandritra ny diniky ny Mpamokatra nokarakarain'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly teny Nanisana tao Antananarivo renivohitra tamin'ity volana janoary ity ny momba ny fiovaovan'ny toetr'andro...
♦ Miatraika amin'ny fiharian'ny tantsaha amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy ankehitriny ny vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro, raha tsy hiteny afatsy ny fahataran'ny rotsak'orana ka mampihemotra ny fanombohan'ny taom-pamokarana. Manana andraikitra mikaroka vahaolana ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly ka nikarakara dinika niarahan'ireo mpiantsehatra avy amin'ny lafivalon'ny nosy nifanakalozan-kevitra ny amin'ny tokony hatao hiatrehana izay fiovaovan'ny toetra'andro izay ny 15 janoary teo... ♦ Vahaolana naroso nandritra ny dinika ny mpamokatra ny fampifanarahana ny zavatra atao amin'ny fiovan'ny toetr'andro, dia ny fampiakarana ny teti-bola natokana ho an'ny orana iniana arotsaka ka ny tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra no mampahafantatra ny toe-javatra misy ahafahana mandritra izany. Tokony zaraina ny tany sy ny zana-kazo ka samy mikarakara ny azy ary atao ny fifaninana momba izany. Avondrona ny Mpamokatra ahamora ny fanentanana, ny fampahafantarana, ny fampihofanana ary ny fanampiana samihafa azony sitrahana sy famoaham-bokatra. Raha atao anefa ny fambolen-kazo dia karazan-kazo tsy mahamaina ny tany no tokony volena...