Tsy hilaozan'izay tsy fetezana ny zavatra hatao, tsy misy ihany koa ny nateraka mba hijaly, fa ireny no mamolavola ny maha izy ny tena. Ny olona manana ny maha izy azy dia azo hametrahana fitokisana ary mahavita na tsy hotronina aza. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
♦ Nampiaka-peony antoko pôlitika Madio momba ireo raharaha tranga-na kolikoly avo lenta nandefasan'izy ireo fitoriana tany amin'ny Bianco. Tsy mbola nivaly8 volana aty aoriana ny fitoriana napetraka... ♦ Nahena ho 5% ny hetra halaina amin'ny fanafarana gazy ampiasaina amin'ny fandrahoantsakafo eto Madagasikara, raha % teo aloha... ♦ Naverina nosokafana indray ny fanadihadiana momba ny namaizan'ny foiben'ny ONE eny Antaninarenina, taona iray taty aorian'ny nitrangàn'ny loza...
Araka ny lalànan'ny fahatongavana ho nofo dia mila olona hiara-miasa aminy Andriamanitra. Isany maha izy ny tena ny fiainam-pinoana manompo an'Andriamanitra. Olona mahatoky tsy mivadika no atao hoe manana ny maha izy azy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Ny kolontsaina sy ny riba : fomba amam-panao nentin'ireo zokiolona nandrindra ny fiainana. Ankehitriny dia mifangaro ny fomba sy ny finoana. Ny fahasimban'ny kolontsaina sy ny riba dia mahatonga ny olona ho lasa tsy matahotra sy lasa sahisahy. Tsy misy fiaraha-monina milamina sy mandroso raha tsy misy zavatra atahorana. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Ny tontolo iainana : samy miaritra ny voka-dratsin'ny fahasimban'ny tontolo iainana izao tontolo izao ankehitriny ; anefa samy tsy manana soritr'asa mazava hamerenana izany na dia ampahany aza. Ny zava-boary dia velona tsy misy olombelona fa ity farany no tsy velona raha tsy misy zava-boary. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.
Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7
♦ Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena ho an'ny fanadinana Bakalôrea eto Antananarivo sy ny manodidina. Nilaza ny mpikarakara fa anio sisa no misy fizaràna taratasy fiantsoana... ♦ Nisy olona 04 matin'ny aretina coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 02 andro, tranga vaovao 47 no hita, raha ny tarehimarika navoakan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Hisokatra manomboka anio ny fotoam-pihotazana lavanila any amin'ny distrika Antalaha Sava. Manahy mafy ny hidinan'ny vidim-bokatra anefa ny tantsaha...
♦ Ny akon'ny famaranana ny fivorian'ny parlemanta izay naharitra 2 volana... ♦ Misy mpiandry raharaha mizara ny taratasy fiantsoana amin'ny adina ara-panatanjahantena bakalorea izay hanomboka ny alatsinainy izao eny amin'ny ôfisy misahana ny bakalôrea, ho an'ireo izay naharay. Voakasika izany ny eto Antananarivo renivohitra... ♦ Voarara tsy tafiditra any amin'ny firenena frantsay, sy ny nosy La Réunion, any Maorisy ny vokatra vokarin'ny orinasa Vaniala sy ny vondrona JCR...
Tsy velona irery ny olona fa mila fiaraha-monina itomboana ka hahalalany ny tenany. Mamolavola ny fiaraha-monina satria ianarana ny fiainana, Mety tsy ho tsara avokoa izay hita eo amin'ny fiaraha-monina fa izay no ilàna ireo herim-panahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
Ny fanahy dia ilay fahaiza-miaina sy toetra tsara ananana. Efatra ireo hatsaram-panahy fototra dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onona. Manana ny maha izy azy ny olona rehefa tomady sy mahira-tsaina, mahery fo sy tsara fanahy. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomantsoa Jean Louis.
Ny vaksiny dia fanomanana ara-biolojika izay hampidirina amin'ny olona mba ahafahana manetsika sy mampitombo ny herifiarovana ao anatin'ny vatan'ny olombelona. Fomba roa afahana mampiditra ny vaksiny amin'ny olombelona iray ka hatsindrona na hampidirina avy any am-bava. Ny vaksiny dia natao hisorohana aretina iray na hampitomboana ny herifiarovana. Mivoatra hatrany ny vaksiny hatramin'ny taon-jato faha-X nahitana sy nampiasàna azy voalohany...
♦ Nafàna ny ady hevitra teo amin'ireo solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta omaly, efa tamin'ny 9 ora alina vao nifarana ny fivoriana tetsy amin'ny CCI Ivato... ♦ Mamokatra ohabolana an-tsarimihetsika ny sampana Média Don Bosco. Fiaraha-miasa amin'ny UNESCO... ♦ Niakatra ny isan'ireo mararin'ny coronavirus ahitàna fahasoratana. 57 izany raha ny tatitra navoakan'ny ministeran'ny fahasalamambahoaka omaly...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco