Antso hizoran'ny maro ny fahamasinana "ny fanambadiana", nefa mapametra-panontaniana matetika ny hoe " tena afaka hitondra amin'ny lalan'ny fahamasinana marina ve io safidim-piainana iray io?". Indraindray aza toa alaim-panahy hilaza fa diso safidy na diso lalana mihintsy ka lasa mitomany ny randrana manendrika ny hafa. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ekena fa Antso tokana iantson'Andriamanitra ny isam-batan'olona ny fahamasinana, saingy tsy mora ary tsy mandeha ho azy no hahatongavana amin'izay. Maro samihafa ny safidim-piainana azo hizorana hamaliana io antso ho amin'ny fahamasinana io ka ilana fomba ny hamantarana azy. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Ny tontolo iainana dia ireo rehetra manodidina sy iankinan'ny fiainantsika olombelona toy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny rano, ny rivotra, ny masoandro, ny zava-maniry, ny ranomasina. Fahasalamana mira aina, raha misy fahasimbana ireo voatanisa eo aloha ireo dia misy fiatraikany amin'ny fahasalamana. Ohatra ny fahalotoan'ny rivotra dia miteraka olana amin'ny taovam-pisefona, miteraka tsy fahasalamana lasa mikohoka, voan'ny sery, sepotra. Ny rano misy loto dia miteraka aretina maro...

♦ Mpiara-miombon'antoka ara-tantara amin'ny Madagasikara efa ho 60 taona ny vondrona Eraopeana, mbola maro ny fiaraha-miasa ho atao, hoy ny filohan'ny repoblika teny Ivoloha omaly... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19, any amin'ireo toerana lavi-dalana hoy ny Transparency International... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny vokatra Litchis ahondrana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena sy hitazomana ny vidiny tsy hiovaova ny mpisehatra amin'izany...

Sabotsy 27 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 34-36

Zoma 26 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

Alakamisy 25 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 20-28

Alarobia 24 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

Talata 23 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-11

Alatsinainy 22 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 1-4

Alahady 21 novambra 2021 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 33b-37

♦ Lohahevitra telo no nifantohan'ny dinika pôlitika andiany faha-9 teo amin'ny Vondrona Eorôpeana sy i Madagasikara, izay notanterahana teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany... ♦ Nampahafantarina sy natolotra androany ho an'ny fitondram-panjakana malagasy ny antontan-kevitra tsara ho fantatra momba ny fifidra-monina misy eto amintsika... ♦ Misy mpiasan'ny fahasalamana maka vola amin'ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19 any amin'ireo toerana lavi-dalana, raha ny tatitry ny Transparency International Initiative Madagascar...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...