Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy, ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra. Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý: haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily. Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...