♦ Tsy maintsy vitaina mialoha ny faran'ny taona ny famadihana ho "Or monnétaire" ireo volamena, tratra saika nahondrana antsokosoko any ivelany, hoy ny governoran'ny banky foiben'i Madagasikara... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra hatramin'izao ny fanjakàna sy ireo vondron'ny mpanafatra sy mpaninjara ny solika eto Madagasikara. Tsy voafaritra mazava mantsy ny vola ananan'ny fanjakàna amin'ireo vondrona mpanafatra sy mpaninjara solika ireo ary toy izany koa ny vola ananan'izy ireo amin'ny fanjakàna... ♦ Nahemotra ho amin'ny sabotsy 24 septambra ho avy izao ny fanokafana ny taom-pikatrohan'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara izay saika notanterahina ny sabotsy 3 septambra lasa teo...
Manentana ny Eglizy hiara-dia ny Papa François, amin'ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina amin'y oktobra 2023, manoloana ny zava-misy mampivarahontsana iainan'ny zanak'olombelona. Ny firaisan-kina no hery entina misedra ireo olana ireo. Mankahery ny Eglizy izy mba hiombona sy handray anjara ary samy hanatanteraka ny asa fanirahana tandrify ny tsirairay. Hizara telo ny fandaharana entin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, ka hazavainy amin'ity fandaharana ity ny maha-izy ny Eglizy sy ny endrika fiarahan-dia.
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Miavaka amin'ny zava-boary rehetra ny olombelona satria : Fanahy, Aina, Vatana. Aza ny sakana anaty no omena vahana fa manimba ny ho avy izany. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ilay ny mampiasa ilay fahefana anaty, izay ananan'ny tsirairay. Mba hiova sy hihatsara ny fiainan'ny olona iray dia tsy maintsy manao ezaka izy handresy ny sakana anaty, ary manome vahana ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fahefana anaty dia fahefana ara-baiboly : " Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo " hebrio 4, 12. Ny fahefana anaty dia azo hazavaina ara-tsiansa. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Tafiakatra 16 isa ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomamy, nisehto tany Antsohihy tamin'ny alahady alina. Tratra tany Analalava ilay botry nandona azy ireo, ka hirosoana ny fanadihadiana... ♦ Nankatoavin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny famoahana ny ampahany faharoa amin'ny FEC ho an'i Madagasikara. Fanampiana avy amin'ny FMI izy io zay mitentina 31,9 tapitrisa dolara... ♦ Hampivoitra ny ezaka ataony, hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo mandritra ilay hetsika ara-toekarena, Foara iraisam-pirenena ho an'ny fambolena hanomboka ny 22 septambra 2022 izao, ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana...
♦ Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny famoahana ny 31,9 tapitrisa dolara, ho an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny FEC. Noho ny ezaka vitan'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny toe-karena ankapobeny no nahazoana izany fanampiana izany... ♦ Hanohana ny Filoham-pirenena amperin'asa mandritra ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara... ♦ Miantso vonjy manoloana ny tsy fandriam-pahalemna tena mahazo laka any amin'ny Distrikan'i Mahabo, Faritra Menabe, ny fikambanan'ny Distrikan'i Mahabo Mahity Miaraky na D3M...
Sabotsy 24 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 43b-45
♦ Hitohy amin'ny volana oktobra ho avy izao indray any Frantsa ny dinika momba ny fitakiana ireo "iles éparses". Ny fitadiavana marimaritra iraisana amin'ny Frantsay no tanjona, hoy ny ministry ny raharaham-bahiny, omaly... ♦ Kasaina hakarina ho 65 taona ny fandehanan'ny mpiasam-panjakàna misotro ronono. Mety hatolotra hodinihin'ireo parlemanta amin'ny fivoriana faharoa amin'ity taona ity ilay volavolan-dalàna mifehy izany... ♦ Ankizy sy olon-dehibe maherin'ny 17.700 isa no nahazo kaopiam-pahaterahana maimaimpoana teto amin'ny Faritra Analamanga, tanatin'ny tetik'asa "Etat-civil". Nanampy tamin'ny fanatontosàna izany ny OIF...
Zoma 23 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22
Alakamisy 22 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco