Alatsinainy 29 jona 2020 — Masindahy Piera sy Paoly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19 — Ianao  no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy haharesy azy.

Alahady 28 jona 2020 — Alahady faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 37-42 — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin'ny Anaran'ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin'ny Avo indrindra.

Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.

23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.

♦ Voafetra manomboka anio hariva ny fahafaha-mivezivezy eny Analakely... ♦ Nampiana 200 tapitrisa sy iray miliara Ariary ny teti-bolan'ny kaominina Antananarivo amin'ity taona ity... ♦ Nitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana momba ilay fananganana Colisée anatin'ny Rovan'Antananarivo ny fikambanan'ireo Andriana Merina na AOM...

♦ Hosamborina ireo rehetra tsy manao aron-tava sy orona ary hampiharana sazy henjana... ♦ Niampy iray indray ny marary namoy ny ainy noho ny Coronavirus... ♦ Polisy eo amin'ny 4000 no hahetsika manerana ny Nosy hitandro ny filaminana mandritra ny fetim-pirenena...

♦ Niampy iray indray ny marary tsy nahatohitra ny Coronavirus raha ny tatitry ny CCO androany... ♦ Hiroso amin'ny fisamborana ireo tsy manao aron-tava ny mpitandro ny filaminana manomboka rahampitso... ♦ Ahemotra ho amin'ny alarobia ho avy izao indray ny fandinihan'ny Solombavambahoaka ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020...

Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.

22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.

♦ Tsy maintsy omena vahana ao anatin'ny teti-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny momba ny sôsialim-bahoaka hoy ny depiote voafidy tany Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tsy misy kajikajy pôlitika, na fitadiavana seza, na resaka foko ny fizarana mitovy ireo distrika mandrafitra ny faritra Vatovavy Fitovinany... ♦ Miantso ny mpampiasa lalana ho mailo ny Polisim-pirenena...

♦ Mananika ny 1600 ny isan'ny olona efa nitondra sy mbola mitondra ny Coronavirus araka ny tarehimarika farany... ♦ Feno 185 taona omaly ny Baiboly Malagasy vita printy voalohany... ♦ Hodinihin'ny Solombavambahoaka amin'ny fivoriana itambaram-be anio ny volavolan-dalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020...

21 jona — I Masindahy Louis de Gonzague dia teraka tao Castiglione ny 9 marsa 1568, zanak’i Ferdinand Ier Gonzague sy i Marta Tana de Santena i Louis. Zaza voalohany izy ary ny reniny no tena niandraikitra ny fanabeazana azy ara-panahy. Mpino katôlika mafana fo ny fianakaviany ary maro ireo eveka sy kardinaly nipoitra avy amin’izany fianakaviana izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...