♦ Nodimandry omaly i Ndriana Ramamonjy sy Monique tao amin'ny tarika Voanio... ♦ Hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina dia haharitra 15 andro ny fialantsasatry ny mpianatra mandritra ny Paka izay hanomboka rahampitso zoma, torak'izany ihany koa ny eny amin'ny Oniversitea... ♦ Tokony hiasa amin'ny maha mpitsara azy sy ny maha mpanelanelana azy ireo mpikambana vaovao handrafitra ny HCC...
Ny maha zava-dehibe ny fikarohana mikasika ny fiaraha-monina sy ny maha olona manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ny Covid-19. Koa satria ny fiaraha-monina dia miatrika fiovana amin'ny lafim-piainana maro, sy amin'ny sehatra maro, noho izany manana adidy hanampy azy ny mpikaroka...
Sabotsy 3 aprily 2021 — Sabotsy masina — Derao ny Tompo fa tsara : Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’i Israely manontolo : Eny, mandrakizay ny fitiavany... — Evanjely Masina nosotaran'i Masindahy Marka 16, 1-8
Ny fahatokisatena dia miankina bebe kokoa amin' ny lafin'ny fanabeazana. (31-03-2021)
♦ Nahalavo marary miisa 15 teto Madagasikara ny Covid-19 tamin'ny talata lasa teo. Isa ambony indrindra tao anatin'ny iray andro tao anatin'ny herintaona niadiana tamin'ity valan'aretina ity... ♦ Nanolotra fitaovana manampy ny mararin'ny Covid-19 ahazo "Oxygène" ilain'ny vatana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nohavaozina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina eto Madagasikara...
♦ 65 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara, omaly. Tao anatin'izay herintaona mahery herinandro izay dia 1,71% an'ny marary no namoy ny ainy. Sitrana kosa ny 89,69% n'ireo narary... ♦ Mitombo hatrany ny filana oxygène eo anivon'ny Hôpitaly Loterana Ambohibao, ho an'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Covid-19. Antony nanomezan'ny fiadidina ny Repoblika, concentrateur d'oxygène maromaro ho an'ity hôpitaly ity...
Zoma 2 aprily 2021 — Zoma masina — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42
Alakamisy 1 aprily 2021 — Alakamisy masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15
♦ Marefo ny fandraisana andraikitra eto amin'ny firenena kanefa mihamahery vaika ny valanaretina coronavirus, hoy ireo fiaraha-monim-pirenena... ♦ Niaiky amin'ny tsy fahampian'ny oxygène manoloana ny fitsaboana ireo marary ny Praiministra Ntsay Christian. Efa misy anefa hoy izy ny fiaraha-miasa amin'ireo orinasa mpamokatra izany... ♦ An'arivony taonina ireo vokatra sakafo aondran'i Madagasikara eo amin'ny tsena erôpeana no naverina eto an-toerana...
Nisy fiantraikany tamin'ny sehatra maro ny krizy ara-pahasalamana indrindra tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Tamin"ny faha-12 marsa 2021 no naseho tao amin'ny Canal olympia ny horonantsary mampiseho an'ilay varika vaovao dia ny varika TSIDY na TSITSIDY. Io horonantsary io dia manentana ny olona amin'ny fiarovana ny varika. Ny omby dia biby tsy avy eto Madagasikara fa noentina avy any ivelany 3000 taona lasa izay fa ny varika dia biby tena avy eto an-toerana ary efa ho 50.000.000 taona no nisiany...
♦ Tsy azo ialàna ny fandraisana fepetra toy ny fiverenana amin'ny fihibohana raha toa ka tsy mampihatra ireo fepetra sakana ny rehetra, hoy ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Efa nanome ny Elefanta saingy tsy nambinina ny Barea tamin'ny fiadiana ny tapakila ho an'ny amin'ny Can 2022... ♦ Naverina eny Antanimora miandry ny didim-pitsarana amin'ny 6 Aprily izao ireo olona telo voatazona amponja vonjimaika noho ilay fitrandrahana fasika ao Faravohitra-Ambatofahavalo...
♦ Baolina kitra : nirava ady sahala, samy tsy nisy nitoko tany Toamasina ny Barean'i Magasikara sy Niger. Tsy tafakatra handray anjara amin'ny CAN 2022, hatao any Cameroun, i Madagasikara... ♦ Mihamahery vaika ny valan'aretina Covid-19, ka nanentana ny Malagasy hanamafy hatrany ny fitandremana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco