Alakamisy 1 aprily 2021 — Alakamisy masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15

Ry kristianina havana ! Mampiseho ny zava-nitranga tamin’ny sakafo farany niarahan’i Jesoa sy ny mpianany ny Vaovao Mahafaly naroso ho antsika teo, araka ny efa voalazantsika teto fa hoe sakafom-pirahalahina tokoa. Androany no efa mampiditra antsika amin’ireo andro telo lehibe amin’ny Paka. Amin’ity Evanjely ity no anehoan’i Jesoa amintsika ny tena fitiavana,, ary anomezany antsika izany didim-pitiavana izany. Araka ny fomba mahazatra, dia misasa tanana ny Jody alohan’ny hisakafo. Tsy nofoanan’i Jesoa izany fomba izany, fa vao mainka aza nampiany fanasana tongotra, raha ny hita teto. Izy mihitsy no manasa ny tongotr’ireo mpianany, toy ny mpanompo, ary miangavy azy ireo mba hifanao toy izany koa. Ankoatra ny maha fanompoana sy fanetren-tena azy, dia fitiavana lehibe no ambaran’ny fanasan-tongotra ataon’i Jesoa.

Fampianarana roa lehibe àry no azo tsoahina avy amin’ity vakiteny masina ity, dia ny fanehoana an-karihary ny finoana amin’ny alalan’ny fanompoana, ary faharoa dia ny fanorenana ny Fiangonana eo ambonin’ny fifankatiavana. I Jesoa no Tompo sady mpampianatra. Manome ohatra velona Izy vao mampianatra ; manasa ny tongotry ny Apôstôly Izy, ary avy eo mampianatra momba ny fifankatiavana, ny fifanompoana. Hoy izy : “Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo” (Jo 13, 34). Takian’i Jesoa amintsika ny fifanompoana ao anatin’ny tena fitiavana. Iangaviany isika mba hahay mifanampy. Mbola sarotra amintsika manko ny manao izany, raha ny zava-misy iainantsika ankehitriny. Tia sy miady ny toerana ambony, ary ny ho tompoina any amin’ny sehatra maro samihafa misy antsika any, ary dia manadino tanteraka ny fisian’ny hafa. Rahoviana isika no mba hanome ohatra ho an’ny hafa, toy ny nataon’i Kristy, ho fanompoana ny hafa. Mazàna na manao izany aza isika dia filan-dera amam-boninahitra na tombon-tsoa no ao ambadika. Tsy tanteraka velively anefa ny fifanompoana takian’i Jesoa amintsika raha tsy misy fanetren-tena ao amintsika ao, ary tsy maninteraka ny fiainantsika ny Eokaristia ankalazaintsika raha tsy miezaka mifankatia sy mifanompo isika.

Ankehitriny dia mbola miantso antsika mandrakariva ny Fiangonana hiaina ity didim-pitiavana ity, koa manehoa àry ny tena fitiavana marina toy ny nataon’i Kristy.

Andriamanitra ô ! Nomenao anay maimaim-poana ny fitiavana, koa ampio izahay mba hahaizanay maneho izany, toy ny nampianarin’i Kristy anay, hahafahanay mifanampy sy mifankatia. Amen !

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...