Efa hatrany amin'ny "Rerum Novarom" no nahitana ny fanampiana "tsy misalovana anadraikitra". Ity farany dia isan'ireo sori-dalana nifikirana izay nampiavaka ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina. Apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maitnsy mivonona hitondra fanampiana "Subsidium", ho fanohanana, na ho fampandrosoana na ho fampivelarana an'ireo vondrona amin'ny antanantohatra ambaniny kokoa. Tsy tokony ho salovanina mihitsy ny finiavana, ny fahafahana, ary ny andraikitra. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny olona dia tokony ho ivo, sy fototra ary tanjon'ny asa sosialy rehetra. Tsy azo hararaotina mihitsy ny olona. Adidin'ny matanjaka ny miaro ny marefo. Ity fitsipika ity dia mifanohitra amin'ny karazana fanavakavahana : ara-toekarena, politika, fiteny, foko fivavahana... Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Kristy tsy manilika fa ny olona no manava-tena. Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy antoka ho amin'ny fahafaham-po. Apetraho ho loha-laharana amin'ny zavatra rehetra Andriamanitra, katsaho aloha ny fanjakany dia hanampy anao izy. Ialao ny fialonana sy ny fitsiriritana fa meteza halala-tanana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Vao mainka niakatra ny vidin'ny entana eny amin'ny tsena sasantsasany, taorian'ny nampiharana ilay famerana ny vidin'entana farany ambony, raha ny tatitry ny PMH, fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Mety mbola hiakatra noho izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, raha ny fijerin'i Mahery Lanto Manandafy. Nambarany fa mbola hahatonga izay fiakarana izay ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika eto amintsika atsy ho atsy... ♦ Atahorana mafy indray ny fivoahan'ny harem-pirenena mankany ivelany amin'izao ankatoky ny fety izao. Volamena 7 kilao indray no tratra tao Anjajavy, distrika Analalava ny faraparan'ny herinandro teo...
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray, teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady, ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho". Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay". Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia". Hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo". Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io". Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny, ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano. Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo". Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo". Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: "Iza moa Ianao?" Satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko". Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao". Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao". Izy no nilaza izany, dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy".
Sabotsy 23 aprily 2022 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15
Ny faha 07 avrily isan-taona no daty fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny fahasalamana. Ny lohahevitra ho fanamarihana ity farany, tamin'ity taona 2022 ity dia : "antoky ny fahasalamantsika ny tany onenantsika". Ny tiana ho lazaina amin'ny hoe " tany onenantsika" dia ieo rehetra manodidina antsika izay mifototra amin'ny olombelona. Mandritry ny fanamarihana io andro io dia imasoana ny fanentanana ny olona rehetra mba tsy hanao dokotera-tena, fa hiezaka hatrany hizaha fahasalamana amin'ny mpitsabo matihanina ...
♦ Narahina herisetra ny fisamborana natao an-dRamatoa Clémence Raharinirina ny sabotsy teo, raha ny nambarany omaly. Nilaza ny hanohy ny hetsika miaraka amin'ireo mpiara-dia aminy izy, hitakiana ny fialàn'ny ben'ny tanàna Antananarivo... ♦ Mikatona ary tsy nisy fampianarana eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, any Toamasina ary Fianarantsoa. Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny fitakiany ny SECES, ka nampihatra ny hetsika "Oniversite maty"... ♦ Misy indray ny hetsika "paka ieren-doza" iarahan'ny mpitandro ny filaminana manatontosa, ho fisorohana ny loza sy ny tsy fandriam-pahalemana, mandritra ny fety, hatramin'ny alatsinainin'ny paka...
Zoma 22 aprily 2022 — Zoma amin'ny havaloandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14
Alakamisy 21 aprily 2022 — Alakamisy amin'ny havaloandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48
♦ Anatin'ny Herinandro Masina, hafitoana mialoha ny fankalazana ny Paka isika. Nanomboka omaly, Alahadin'ny Sampankazo hatramin'ny Sabotsy Masina alina izany... ♦ Hiara-misalahy amin'ny fisorohana ny loza isan-karazany ny Pôlisy sy ny Zandary amin'ny fetin'ny Paka. Hanomboka anio ny fidinan'izy ireo an-kianja ka tsy hifarana raha tsy ny ampitson'ny Paka... ♦ Hiova ny paikady entin'ny ZDS, fari-piarovana sy fandriam-pahalemana, hiadiana amin'ny asan-dahalo. Nozaraina ho faritra telo ny ZDS Ikopa...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco