Sabotsy 23 aprily 2022 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

Ity Vaovao Mahafaly nalahatry ny Fiangonana nosoratan'i Masindahy Marka nohenointsika teo ity no anisan'ny famintinana sy famaranana ireo fisehoana rehetra tamin'ny nitsanganan'i Kristy ho velona, tantarain'ireo Evanjely telo hafa izay nodinihintsika tamin'ity herinandro ity. Soritan'ny mpanoratra mazava fa nomen'i Kristy tsiny ireo mpianany noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony nefa efa natao daholo izao fomba ahafahan'izy ireo mijoro ho vavolombelona : teo ny famakiana ny mofo sy ny fitsofan-drano ny hazandrano izay fampahatsiahivana ny sakafo farany, teo ny fampianarana sy ny fivoasana ny Soratra Masina teny an-dalana, indrindra ny fisehoana mivantana fa tsy matoatoa no nitsangana fa tena olombelona be izao. Dia izay tokoa moa isika olombelona, toroana foana fa mody adala, tsy mino maty raha tsy avy mandevina. Efa famantarana avokoa ireo nasehon'i Kristy tamin'ny mpianany ireo ka tsy tokony ho nisalasala intsony izy ireo, dia izay indrindra no hamaranan'i Masindahy Marka azy eto ny fanirahan'i Kristy ireto farany mba hitory ny Evanjely amin'izao tontolo izao sy amin'ny voaary rehetra fa tsy tokony hisalasala intsony.

Iraka miantefa amintsika tsirairay avy avokoa àry, izay asa nampanaovin'i Kristy ireto mpianany izay, amin'izao andro diavintsika izao, koa meteza re ho tena Apôstôly, mpino kristianina manoloana ny fahasoavan'Andriamanitra eo am-piandrasana sy am-pahitana mazava ny hasambarana sy ny fiadanana any amin'ny fiainana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...