Ny Batemy dia mandrisika ny kristiana amin'ny fahehoana halemem-panahy, ny fahasahiana miteny sy mananatra am-pitiavana, fijoroana amin'ny fahamarinana. Tsy azo atao mihitsy ny milona ao anatin'ny toe-javatra ratsy anefa mitondra ny anaran'i Kristy. Endriky ny fitiavan'Andriamanitra isika rehetra eo amin'izay hatao, mila atambatra ny hery hiasa ho fanehoana izany fitiavana izany. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny tena mpianatr'i Kristy, mitondra ny anarana kristiana dia sahy maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra, indrindra ireo tsy manan-tsiny sy marefo. Taratry ny fitiavana ny hoe : fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny hoe midonana-poana dia teny roa mitambatra, dia ny hoe midonaka sy foana. Ny midonaka dia mitoetra fotsiny fa tsy an’asa, mitoe-poana eo fotsiny. Ny foana moa dia entina ilazana zavatra matetika, miveriberina. Ka ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Mba hialana fidonana-poana dia mila volavolaina dieny mbola kely ny ankizy. Hoy ny fitenenana hoe: “ny Hazo no vanokolakana dia ny tany naniriany no tsara.” Zarina hitia ny asa dia mbola kely ny ankizy. Marina fa hoe ny fananana finoana dia isan'ny hahazoana famonjena fa ny asa dia tsinontsinona. Kanefa ny tenin'Andriamanitra dia milaza amintsika fa ny finoana tsy misy asa dia maty. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny fidonanam-poana dia toetra ratsy apetraky ny demony ao anatintsika sy miseho eo amin’ny fahalainana hanao zavatra sy ny hakamoana ka tsy hahafahana miroso amin’ny tsara sy ny fahamasinam-piainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa tsy manao na inona na inona ny olona iray dia misosoka moramora ao aminy ny sain-dratsy, ny asa ratsy ary ny toetra ratsy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny tarigetra-piainana nomen’i Jesoa antsika dia ny hoe “ny hanompo fa tsy ho tompoina.” Ny fiainana ny maha-kristianina marina dia iainana amin’ny fanampina ny hafa ary ny asa fanompoana araka izany dia azo heverina ho toy ny fitaovana iray handrefesana ny dingana vita eo amin’ny fiainam-panahy. Mitaky fanoloratena lalina ho fitsimbinana ny hafa. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Aoka isika tsy higaga na hihetseham-po amin’ny zava-misy hianantsika isan’andro fotsiny fa hanolotena satria asa fanompoana dia iraka maha-kristianina. Tsy tokony hihetsi-po fotsiny fa tokony hafoi-tena isika hanavao ny fiaianana manontolo. I Kristy tsy nangoraka fotsiny nahita antsika latsaka tao anatiny fahotana fa nahafoy tena tanteraka izy hamonjy antsika. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Tsarovy fa ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Hoy Masindahy Paoly hoe: “Raha misy tsy te hiasa dia tsy tokony hihinana izy.” Arak’izany dia tsy sitrak’Andriamanitra fiainana ao anatiny fidonanam-poana fa mitarika antsika amin’ny fahotana maro. Tsy vitan’izany fa mitarika ny hafa ho latsaka anatin’ny fakam-panahy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Raha niseho tamin'ny Apôstôly i Kristy taorian'ny fitsanganany ho velona dia niteny hoe : " Homba anareo anie ny fiadanana", izay fiadanana tsy araka ny hevitr'izao tontolo izao. Na ao anatin'ny Eglizy aza dia misy mpianatr'i Kristy manana toe-tsaina ratsy toy ny : avonavona, fanambonian-tena ; isan'ireo tsy mampisy fiadanana ety an-tany. Katesizy momba ny fiaraha-monina izay fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Taorian'ny fitsanganany ho velona vao nanonona ny teny hoe "fiadanana" i Jesoa Kristy, fa talohan'izay dia tolona ho amin'ny tena fitiavana sy fahamarinana no nataony. Ny fiadanana tian'i Kritsy ampanjakaina eto an-tany dia araka ny fiheveran'Andriamanitra fa tsy ny hevitry ny olombelona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Rehefa tafiditra tao am-po sy ny fiainan'ny mpianatra ny "fitiavana sy ny fahamarinana", vao mahazo miteny fiadanana sy miaina izany. Ny fiadanana dia fampanjakana ny fitiavana marina sy ny fahamarinana eto an-tany na inona toerana misy anao : na mpitondra Fanjakàna ianao, na mpitondra Fiangonana, na ray na reny, na zanaka na mpianatra na mpiasa sns. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco