Ny boky no mirakitra an-tsoratra ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina ary ny fitsipi-pitondratena. Isan'ny boky tranainy indrindra ny "vedas" izay boky ampiasain'ny Indo, ary saika avy amin'io boky io no loharano nipoiran'ny tantara masina maro resahina amin'ny finoana maro samihafa. Ny "baiboly" ihany koa dia voasokajy ho isan'ireo boky tranainy. Ny "Baiboly" no boky maro mpividy indrindra araka ny fanadihadiana. Mifamatotra ny finoana kristiana sy ny boky.
Ny antson'Andriamanitra miantefa amintsika amin'ny vanim-potoanan'ny paka dia izay voalaza ao amin'i Md Marka : "...mandehana amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin'ny voahary rehetra...". Zava-dehibe ny antson'Andriamanitra ho pretra na relijiozy na ho laïka amin'ny fanokanan-tena na ihany koa hanambady.
Hery telo no ananan'ny fanahy dia ny fahalalana, fitadidiana ary fahatelo farany dia ny sitrapo. Ny fahafahana dia ao amin'ny fanahintsika no misy azy. Zava-dehibe ny fahafahana sy ny sitrapo eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Maro ny tokantrano mikorontana, ary betsaka ireo tanora tsy mahafehy tena noho ny tsy fahaizana mandanjalanja ny atao hoe "fahafahana". Miha very hasina ny olombelona noho ny fivohizana loatra ny fahafahana.
Ankehitriny dia betsaka ny zavatra manahirana ny olona ka manosika azy ireny hitady sy hila famonjena. Ny fady dia mifamatotra amin'ny lafim-piainan'ny malagasy, ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny kristiana sy ny tanora izay samy mitady sy miandrandra fiadanana sy famonjena. Ny fiangonana anefa metetika no mirona manatsatso sy manameloka ireny fomba amam-panao sy fady ireny ho fomba mahadiso na mandika ireny ho finoanoam-poana. Ny fady dia zavatra na olona tsy azo tononina anarana na tsy kasihana ary tsy azo atao.
Ny fiavonavonana sy ny fahihirana dia isan'ireo fahotana fito fototry ny hafa, fa mifamatotra amin'izany ny fialonana. Ireo toetra ireo dia hita eny amin'ny tontolon'ny fiaraha-monina ary manimba zavatra maro. Maro ireo tsy mandray ny soso-kevitry ny olona manodidina azy fa miolonolona sy mampiseho avonavona. Maro ireo mpanan-karena mahihitra ka tsy mitsinjo ny tombontsoa iombonana.
Manana ny mampiavaka azy ny kristiana Malagasy. Mba hanavahana ny asan'ny fanompoan-tsampy dia eo ny didin'Andriamanitra, telo voalohany : Izaho no Tompo Andriamanitrao, ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho, manompoa an'Andriamanitra ianao, tiava azy amin'ny fonao rehetra ; aza manonononom-poana ny anaran'Andriamanitra ; mankamasiana ny andro alahady... Misy ny andro fady ho an'ny kristiana dia ny alahady ho an'ny finoana katôlika...
Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.
Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.
Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito : ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana.
Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.
Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra.
Ao amin'ny Jenezy 1, 28 " miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy". Ny hoe mitomboa maro dia midika ho fiarovana ny aina ; ary ny hoe mizakà dia midika ho fizakàna ny tany amin'ny alalan'ny asa. Rehefa tsy an'asa ny olona iray dia tsy afaka ny hiaro ny aina satria ny olona noana dia tsy afaka hiaro ny aina. Nomen'i Jesoa kristy lanja ny asa nandritra ny fotoana nahavelomana satria ny 3 taona no nitoriany ny teny fa ny 30 taona teo alohan'izay dia natokany ho an'ny asa.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco