Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 19, 1-8)

Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?

Raha mbola tany Kôrinto i Apôlô,
i Paoly kosa tonga tany Efezy rahefa nitety faritany ambony tany Azia.
Nony nahita mpianatra sasany teo izy, dia nanao taminy hoe:

“Efa nandray ny Fanahy Masina va ianareo fony vao nino?”

Fa hoy izy ireo taminy:

“Tsy mbola nandre akory aza izahay fa hoe misy Fanahy Masina.”

Ary hoy izy:

“Batemin’iza no noraisinareo?”

Hoy ireo:

“Batemin’i Joany.”

Dia hoy i Paoly:

“Batemim-pibebahana no nomen’i Joany
fa Ilay ho avy ao aoriany,
izany hoe, i Jesoa no nambarany ho tsy maintsy hinoan’ny vahoaka.”

Nony nahare izany izy ireo,
dia nangataka hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa Tompo;
ary rahefa nametrahan’i Paoly tanana indray,
dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany;
tokony ho roa ambin’ny folo lahy izy rehetra.
Nony afaka izany, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Paoly,
ka niteny tamin-kasahiana,
ary nampianatra telo volana nilazalaza ny momba ny fanjakan’Andriamanitra
tamin’ny lahateny mandaitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 2-3. 4-5ad. 6-7ab

Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.

Vao mitsangana Andriamanitra,
dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala;
toy ny fielin’ny setroka ny fieliny.
Toy ny savoka mitsonika manoloana ny afo,
ny olon-dratsy mikoa manoloana an’Andriamanitra.

Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby!
Mihirà, ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany.
Tompo no Anarany, mifalia eo anatrehany!

Fa Rain’ny kamboty Izy, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra, ao amin’ny Toerany Masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 29-33)

Matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.

Tamin’izany andro izany, ny mpianatr’i Jesoa nanao taminy hoe:

“Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao,
ka tsy mila hanontanian’olona:
izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao.”

I Jesoa namaly azy hoe:

“Mino ange ianareo ankehitriny?
Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza,
izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy,
sy handaozanareo Ahy ho irery;
nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.
Izaho no nilaza izany taminareo,
dia ny mba hanananareo fiadanana amiko.
Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao;
fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...