18 mey 2023 — Alakamisy, I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Taona A — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
Ry mpihaino hajaina, mankalaza an’i Jesoa niakatra any an-danitra na “ascension” isika anio. Efapolo andro taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty izany. Inona ary ny fampianarana tian’ny Fiangonana hampitaina amintsika anio? Voalohany nahavita ny fanirahana nampanaovina Azy i Jesoa dia miverina any amin’ilay naniraka Azy. Faharoa resy lahatra ihany ny mpianany rahefa nihaona teny an-tendrombohira ary fahatelo nirahin’i Jesoa koa Izy ireo. Fahefatra i Jesoa nampanantena fa ho eo mandrakariva.
Nidina avy any an-danitra i Jesoa ka miverina any an-danitra. Manambara ny toerana izay alehantsika sy andraindraintsika ny lanitra. Tsy mandeha ho azy anefa izany fa nahavita ny iraka nampanaovina azy Izy. Izany hoe tsy nivadika tamin’Andriamanitra Ray Izy, tsy nanao ny sitrapony fa nanatanteraka ny sitrapon’ilay Rainy. Fantatr’i Jesoa mialoha ny momba hanjo azy sy ny lamina miandry azy: ny fiverenany, handeha ho any amin’ny Ray araka ny nolazainy tamin’ireo mpianany. Ohatra lehibe ho antsika izany rahefa nahavita ny iraka dia miverina any amin’ilay naniraka: manao tatitra sy mandray ny fanirahana vaovao indray. Tsy tapitra teo ny asan’i Jesoa fa nomen’ny Ray Azy ny fahefana rehetra, ka nomeny ny mpianany indray izany fahefana izany. Noho izany ireto mpianany no hanohy ny asa efa natombony miaraka amin’ny Ray.
Resy lahatra ireto mpianany ka nasehony tamin’ny fitsaohana Azy izany. Ireto ny fahefana nomen’i Jesoa ny mpianany: handeha manerana ny tany, hanao batemy, hampianatra hitandrina ny zavatra rehetra izay nampianarin’ Kristy. Izao tontolo izao mihitsy no tian’i Jesoa ho vonjena ka hanirahany ny mpianany. Izao tontolo izao mihitsy no tiany ho tonga zanak’Andriamanitra amin’ny fandraisana ny batemy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Tsy batemy amin’ny anaran’ny mpianany fa batemy fahateraham-baovao avy amin’ny Trinité masina (Ray, Zanaka, Fanahy Masina). Noho izany fitaovana ihany ny mpianatra ka tsy miankina amin’ny fahamendrehan’izy ireo ny sakramenta ho zarainy fa miankina indrindra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Tsy hiasa irery ny mpianany fa hiara-dalana miaraka aminy i Jesoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Hoy Izy: “Indro Aho ho eo aminareo mandrakariva ambarapahatongan’ny faran’izao tontolo izao”. Voafetra io fahefan’ny mpianany io amin’ny fiverenan’i Jesoa. Tsy hisy hahalala izany fotoana izany fa ampy antsika ny mivelona ny Fanahy Masina isanandro amin’ny maha-zanaka antsika, ho vavolombelony. “Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”. Amen.