16 mey 2023 — Talata, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 5b-11)

Ry mpihaino hajaina, miverimberina amintsika androany amin’ity andalan-tsoratra masina ity ny tenin’i Jesoa hoe “handeha”. Handeha Izy, hifindra toerana, tsy ho eto an-tany intsony, tsy ho hitan’ireto mpianany intsony, tsy hiara-miriaria miaraka amin’ireto mpianany fa handeha ho any amin’ilay Ray naniraka Azy. Izany fandehanany izany dia fantantsika fa handalo ny fahafatesana Izy, ho faty Izy.

Tsy naindraindran’i Md Joany loatra ny fahafatesana fa ny vokany avy hatrany no nolazainy. Hoy Izy: “Mahasoa anareo ny handehanako satria raha tsy mandeha Aho dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo”.

Voafetra ihany ny fanirahana notontosain’i Jesoa na dia nahatontosa izany tao anatin’ny fahalavorariana aza Izy. Voafetra amin’ny fotoana sy ny toerana ihany Izy. Ny hitamaso mantsy dia voafetra ihany. Fantatr’i Jesoa kosa fa rahefa mandefa ny Fanahy Masina Izy dia hitombo maro ny fisiany, tsy ho voafetra intsony Izy. Tsy ho hitamaso izany Fanahy Masina izany fa ny asany no ahafantarana azy. Lasa tonga vavolombelony manerana ny tany ny mpianany. Io ilay fahaterahan’ny Eglizy, tonga vatan’i Kristy izay mino Azy ary velomin’ny Fanahy Masina.

Inona ary ny asan’ny Fanahy Masina araka ny ambaran’i Jesoa?

Handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana.

Handresy lahatra an’izao tontolo izao, tsy toerana voafaritra intsony fa izao tontolo izao. Handresy lahatra izany hoe hampahafantatra, hampianatra mba hialan’ny olona amin’ny fahotana mankany amin’ny finoana. Ireto mpiambina ny tranomaizina izay saika namono tena noho ny fiheverany fa hoe nandositra i Paoly sy Silasy rahefa nivoha ny varavarana dia nibebaka, resy lahatra rahefa nolazain’i Paoly fa aza mamono tena fa eto daholo izahay. Tsapan’ny mpiambina fa misy ifandraisany ny horohoron-tany sy Paoly ary ny namany ka nangataka tamin’i Paoly : “Inona no hataonay mba ho voavonjy izahay?”. Minoa an’i Jesoa Tompo dia ho voavonjy ianao sy ny ankohonanao.

Tsy mamela irery an’ireo mpianany tokoa i Jesoa fa tonga miseho amin’ny fomba manokana. Mbola miseho amintsika koa Izy amin’ny fiainantsika andavanandro fa matetika isika no tsy mahita Azy. Tsy mitsahatra mantsy Izy mampiseho izay famirapiratany izay mandrapahatonga ny fiombonantsika aminy.

Ry Ray o, enga anie izahay hahatsapa ary ho resy lahatra tokoa fa lehibe ny fitiavanao anay. Ampio izahay hiomana tsara amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina mpanafaka alahelo. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...