19 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Ry mpihaino hajaina, ny vaovao mahafaly izay atolotry ny Fiangonana anio dia manentana antsika tsy ho kivy, ho diso fanantenana fa hitoetra ao amin’ny hafaliana mandrakariva. “Hody hafaliana ny alahelonareo” hoy i Jesoa. Miverimberina ny teny hoe malahelo sy faly eto. Iza tokoa moa no tsy alahelo rahefa tojo fisarahana amin’ny olona akaiky. Hitantsika ny fihetseham-po niseho tamin’ireo mpianatra roalahy tany Emaosy: sady nalahelo no diso fanantenana, ireo vehivavy nitomany azy rahefa nahita azy nampijaliana sy nitondra ny hazofijaliana Izy. Fa indrindra moa i Masina Maria izay nahita an’ity zanany naloakan’ny kibony izay nampitondraina ny mafy. Eo ny alahelo noho izany fa eo koa ny fahatahorana sy ny henatra satria maty ilay noheverina sy nilaza fa Andriamanitra.Kanefa hoy i Jesoa hody hafaliana ny alahelonareo.

Noraisin’i Jesoa fanoharana aza ny vehivavy ory raha hiteraka fa tsy tsaroany intsony rahefa teraka Izy. Hisy tokoa ny fijaliana sy fahoriana mandalo eo amin’ny fiainantsika izay mahatonga ny fiainantsika ao anaty aizina ary mety mahatonga antsika hivarilavo mihitsy aza. I Jesoa kosa mampanantena fa ho dibo-kafaliana ianareo. Efa lazain’i Jesoa mialoha sahady ny hafalian’ny Paka amin’ny fitsanganan’ny maty. Ity fanantenana ity no mampiavaka ny mpino sy ny tsy mpino. Ny olona mino an’Andriamanitra dia mahalala fa tsy misy Paka tsy mandalo zoma masina. Ireo mpanara-dia an’i Jesoa, ireo miara-dalana miaraka aminy dia olon’ny fanantenana.

Mahatsiaro ny olon-tsambatra Raphael-Louis Rafiringa isika amin’ity andro ity. Modelintsika Izy. Nijanona tao aminy mandrakariva ny finoana sy ny fitiavana ary ny fanantenana na dia tsy teo intsony ireo misionera, nitondra ny vaovao mahafaly fa noroahina hiala amin’ny nosintsika. Izy kosa tahaka ireo mpianatr’i Jesoa nanohy nampianatra hatrany. Nilaozan’ireto misionera Izy, nitondra tebiteby ho azy izany. Natolotra ny mpitsara koa Izy nohon’ny fitoriana Azy.

Nandalo teo aminy ireo zava-niseho tamin’ny mpianatr’i Jesoa: alahelo, tebiteby fa hafaliana tsiombitratra no mameno ny fony rahefa mahita ny vokatra ankehitriny, kristianina marobe manara-dia an’i Jesoa.

Ilaintsika ary ny fananana faharetana, tahaka ny kodiarana sarety ny fiainantsika, mifangaro ao ny soa sy ny ratsy fa mijanona amin’ny finoana efa noraisintsika na dia sedrain’ny fiainana isan’andro aza izy.

Ry Ray o, ho tsapanay hatrany anie fa eo ianao na dia mandalo fahasahiranana aza ny fiainanay ka hahatsiaro koa fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy dia mitoetra foana izy fa raha maty kosa izy dia mahavokatra be (Jn 12,24-25a). Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...