17 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)

Ry mpihaino hajaina, ny Vaovao Mahafaly izay henontsika dia mampitodika antsika any amin’ny Fanahy Masina. Lazain’i Jesoa androany fa antsoina hoe Fanahin’ny fahamarinana Izy. Manana anjara asa manokana Izy eto dia ilay Fanahy mpitari-dalana mitondra any amin’ny fahalalana ny marina, ilay Fanahy izay manambara izay reny sy hanambara ny ho avy.

Ampianarin’i Jesoa amintsika androany koa ny tsiambaratelo ny fifandraisan’izy olona telo dia ny fitiavana lavorary. Efa fantantsika fa i Jesoa dia ilay Andriamanitra tonga nofo. Izay mahita Ahy hoy i Jesoa dia mahita ny Ray. Izy ilay endrik’Andriamanitra tsy hitamaso. Izy ilay irak’Andriamanitra eo anivontsika, nanambara izay hitany sy reny ny momba ilay naniraka Azy. Izy ao amin’ny Ray ary ny Ray ao aminy. Izy sy ny Ray dia iray ihany. Rahefa nahavita ny asany Izy dia niverina any amin’ny Ray ary nampanantena handefa ny Fanahy.

Hoy i Jesoa: “Hanome voninahitra Ahy izy satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo”. Tsy tao amin’izy ireo ny fitiavan-tena na ny fitiavam-boninahitra na ny fizahozahoana fa nifampizara, nifampilaza, nifanome ny zava-drehetra Izy ireo. Ny zanaka nanambara ny Ray ary ny Fanahy hanambara ny Ray sy ny Zanaka satria hoy i Jesoa: “Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko, ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo”.

Noho izany izay rehetra ananan’i Jesoa dia hambaran’ny Fanahy, hampianarin’ny Fanahy. Ny nahatongavan’i Jesoa eo anivontsika dia ny hanambara sy hampianatra antsika ilay Andriamanitra tsy hitamaso, sarotra ho antsika anefa nahazo izany moramora, eny na dia ny mpianany aza. Ohatra i Jesoa nilaza tamin’i Filipo: izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrao ihany ve Aho.

Efa nilaza i Jesoa hoe: “Efa nataoko hoe sakaiza ianareo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko” Jn15,15. Ny tsy ampy dia ny fandalinana sy ny fahafantarana ny tena dikan’ny fampianaran’i Jesoa. Noho izany indrindra nampanantena i Jesoa fa handefa ny Fanahy Masina hampianatra, hampatsiahy ary hitari-dalana amin’ny marina rehetra. Ho tsaroantsika ary fa ny fampianaran’ny Eglizy ankehitriny manerana ny tany dia io ilay endrika iray isehoan’ny Fanahy Masina.

Avia, Ry Fanahy Masina, fenoy ny fon’ireo olona mino anao, Iraho ny Fanahinao dia ho àry ny zavatra rehetra ary hanavao ny endriky ny tany ianao.Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...