28 mey 2023 — Alahady Pantekôty — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino; ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Betsaka ny fahazahoantsika ny fetin’ny Pantekôty: fidinan’ny Fanahy Masina, fanombohan’ny tantaran’ny Fiangonana. Mety ho samy hafa ihany koa ny fomba hiainana an’ity vaninandro anio ity satria ao ireo mahatsapa hafaliana satria handray sakramentan’ny Fankaherezana anio; ao koa anefa no efa mamisavisa sahady ny hatao rahampitso alatsinainy : hivoaka hitsangatsangana ve sa hijery rindran-kira ?

Fa inona kosa anefa no anasan’i Jesoa antsika araka ny Evanjely anio Pantekôty ?

Asainy isika hanao dingana toy ny nataon’ireo mpianany : miala amin’ny tahotra, fa mila misokatra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy nitsangan-kovelona. Natahotra ny mpitondra izy ireo, natahotra ireo nampitsambotra sy nampamono an’i Jesoa narahiny sy nahafoizany an’izao rehetra izao, ka nihidy tao an-trano ; mety nahatsapa ho afa-baraka ihany koa izy ireo ka tsy te ho hitam-poko, sy ho hitam-pirenena satria nihevi-tena ho diso safidy tamin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa. Natahotra ny vavam-bahoaka, natahotra ny mason’olona.

Izany tahotra izany tsindraindray no mamatotra antsika ; izany tahotra izany no mety hanakana antsika hahazo ny fanomezana hafa omen’Andriamanitra antsika sy hahalalantsika Azy bebe kokoa. Asa na tsapantsika fa toa tsy mahita tsara ny zava-misy na olona iray isika rehefa voafatotry ny tahotra, toy izany no nanjo an’ireto mpianatra, ohatran’ny tsy nahalala an’i Kristy izy ireo noho ny tahotra ; ohatran’ny tsy nahatsapa Azy efa nitsangan-kovelona koa aza. Io tahotra io indrindra no nasain’i Jesoa hisava amin’ireto mpianatra ireto, fa izany no antoka hahazoan’izy ireo, ireo fanomezana soa sarobidy hatolony sady efa nampanantenainy rahateo, dia tsy inona moa izany fa ny : fiadanana sy ny hafaliana ary ny Fanahy Masina.

Tsarovy anefa fa mampikombona anaty ny tahotra ; mampihidy amin’ny tena, fa ny fiadanana sy ny hafaliana kosa mampisokatra amin’ny hafa ; koa izany indrindra no anasan’i Jesoa an’ireto mpianany hitory rehefa avy nisava ny tahotra namatotra azy ireo.

Fa misy fanomezana sarobidy anankiray ihany koa vokatry ny fandresena izany tahotra izany : resy ihany koa ny rindrim-panavahana isan-karazany (volon-koditra, fiteny, fomba amam-panao), satria nirahany hitory hatraiza hatraiza sy amin’olon-drehetra isika rehefa avy nihaona taminy tafatsangan-ko velona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...