Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:

“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.

Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 12, 3b-7. 12-13)

Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika.

Ry kristianina havana, tsy misy afa-milaza hoe:
“i Jesoa no Tompo”,
raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;
maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany,
ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra
izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.
Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy,
mba hahasoa ny be sy ny maro.
Fa toy ny maha iray ny vatana, na dia maro rantsana aza,
sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy,
dia toy izany koa i Kristy.
Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra,
mba ho vatana iray ihany isika na Jody na Jentily,
na mpanompo na tsy mpanompo;
ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa amin'ny Fanahy Masina

Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

  1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa,
    Avia re, Mpisolo vava anay.

  2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
    Fa maminay e ny honenanao.
    Avia re, Mpamelombelona ô.

  3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro,
    Avia re, Mpanampitamby ô.

  4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon’izay rehetra mino Anao:
    Avia re, ry hasambaranay.

  5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
    Dia zava-poana feno fahotana,
    Avia re, ry Mpankahery anay.

  6. Diovy re ny fo izay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
    Avia re, sitrano ny fonay.

  7. Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay,
    Avia re, Mpanitsy dia anay.

  8. Ireny fanomezanao fito
    Omeo anay vahoaka mino Anao,
    Avia re, matoky Anao izahay.

  9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety,
    Omeo anay ny hasambaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino;
ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-23)

Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa: Raiso ny Fanahy Masina.

Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Homba anareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Homba anareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka
ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina,
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...