Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 20, 28-38)

Ankiniko amin’Andriamanitra ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo.

Tamin’izany andro izany,
i Paoly niteny tamin’ireo Pretran’ny Fiangonana tany Efezy nanao hoe:

“Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina
mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo,
izay tsy hitsitsy ny ondry.
Ary ny sasany aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso,
ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
Koa miambena re, ary tsarovy lahy
fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina
nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso!
Ary ankehitriny,
ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenim-pahasoavany ianareo,
dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’izay efa masina rehetra.
Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’olona aho.
Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko
sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko.
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra
fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra,
ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe:
Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”

Nony avy nilaza izany izy,
dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.
Ary nitomany mafy izy rehetra sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,
fa nalahelo loatra izy,
indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe:

“Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo.”

Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 29-30. 33-35a. 35b-36d

Ry mpanjakan’ny tany, antsao ny Tompo.

Andriamanitra ô! omeo baiko ny herinao!
Hamafiso ny efa vitanao ho anay!
Avy any an-tempolinao any Jerosalema
no hanasinan’ny Mpanjaka Anao.

Ry mpanjakan’ny tany, ataovy ny hira!
Ianareo andriamanitra, aoka hiantsa ny Tompo;
dia Ilay mpitaingina ambony kalesy
any an-tampon’ny lanitra fahagola!
Injay Izy mamoaka feo dia ilay feony mahery:
aoka hidera Azy ianareo andriamanitra!

Ao amin’i Israely ny fiandrianany;
ao anaty rahona ny heriny!
Mahatahotra Andriamanitra any an-toerany masina:
dia Ilay Andriamanitrao, ry Israely.
Ilay manome hery sy tanjaka anao,
ry ilay vahoaka tahin’Andriamanitra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo,
sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)

Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:

“Ray masina ô,
tahirizo amin’ny Anaranao ireo izay nomenao Ahy,
mba ho iray tahaka antsika izy.
Raha mbola teo amin’izy ireo Aho,
dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao.
Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho,
ka tsy nisy very izy na dia iray aza,
afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana
mba ho tanteraka ny Soratra Masina.
Ankehitriny mankany aminao Aho,
ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao,
mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy.
Nomeko azy ny teninao ka halan’izao tontolo izao izy ireo,
satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.
Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko,
fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy.
Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy
no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.
Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo.
Ny teninao no fahamarinana.
Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao
no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa.
Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho,
mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...