Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 28, 16-20. 30-31)

Nijanona tao Rôma izy nitory ny fanjakan’Andriamanitra.

Rahefa tonga tany Rôma izahay,
dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila no niambina azy.
Nony afaka hateloana,
dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody,
ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy:

“Ry rahalahy,
izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina
na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika
sy ny fanaon-drazantsika aza.
Nony namatotra ahy ireo,
ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy,
dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo;
nefa notoherin’ny Jody izany,
ka voatery ho nangataka hotsarain’i Sezara aho;
tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.
Izany ny niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo;
fa noho ny fanantenan’i Israely ity,
no ifatorako amin’izao rojo vy izao.”

Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofany i Paoly;
ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy.
Nitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy,
sady tsy nisy nisakana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 10, 4. 5 sy 7

Izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavanao, ry Tompo.

Ny Tompo ao an-tempoliny masina;
ny Tompo amin’ny fiketrahany any an-danitra;
ny masony mitazana;
ny fijeriny mandinika ny zanak’olombelona.

Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olo-marina:
halany mainty ny mpanao an-keriny!
Eny, marina ny Tompo, ny fahamarinana no tiany:
ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)

Izy no ilay mpianatra nanoratra izany, ary fantatsika fa marina ny filazany.

Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera,
dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa
izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe:

“Tompoko, iza no hamadika Anao?”

Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa:

“Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany?
Fa manaraha Ahy ianao.”

Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany;
nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe:
Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany?
Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy,
ary fantatsika fa marina ny filazany.
Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa,
ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay,
dia ataoko fa na izao tontolo izao aza
tsy ho omby ny boky hosoratana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...