24 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)

Ray Masina no hilazan’i Jesoa ny Rainy, io dia midika fa manana hevitra tsy mitovy amin’ny fihevitr’olombelona Izy. Ray koa anefa Izy ka tsy afaka misaraka amin’ny Zanany amin’ny anarany, izany hoe eo anatrehany amin’ny anarany miombom-piainana aminy amin’ny vavaka sy ny resaka atao aminy. Ray no anarany ka amin’ny fiantsoantsika azy ho Ray no hiezahantsika koa hiaina ho zanany marina tokoa, hiezaka hitahiry ny toetra maha zanaka.

Tsy ezaka avy amin’ny toetra maha olombelona anefa fa fanomezana avy amin’i Kristy Mpisorombe. Tahaka izany koa, ny mpianatra tsy afaka miala eo amin’izao tontolo izao, satria voairaka hanohy ny asam-pamonjena. Saingy tsy olon’izao tontolo izao izy ireo, hamasinina amin’ny fahamarinana ireo mpianatra mba ahafahan’izy ireo manatanteraka izany iraka izany. Ny hoe hamasinina moa dia midika hoe atokana ho an’Andriamanitra irery ihany, hiombona aina aminy, mety ho fanolorana ny tena ho sorona ihany koa.

Tsy fisehoana ho tsara noho ny hafa ny fahamasinan’ireo mpianatra fa fitiavana. Izay tsy miaina araka ny fitiavana, tsy maniry ny hahavonjy ny hafa eny fa na dia ny fahavalo aza, dia mbola lavitra ny fahamasinan’Andriamanitra. Mazava amin’izany ny antony anirahana ny mpianatra mba hanohy ny asam-pamonjena nanirahan’ny Ray an’i Jesoa, hampahafantatra an’izao tontolo izao fa fitiavana Andriamanitra. Ary hanome azy ireo ny fiainany amin’ny fanolorany ny ainy ho famonjena azy rehetra. Izany no nanamasinan’i Jesoa ny Tenany ary ho an’izay te hanara-dia Azy dia io no lalana tokana hanamasinany ny tenany.

Hampiombona antsika ao amin’ny fahamarianany sy ny fahamasinan’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina. Ary ny ezaka sy ny asa ataontsika anie hampitombo ny fahamasinantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...