23 mey 2023 — Talata, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11)
Ny Evanjely anio dia Evanjely vakìna amin’ny Alahady faha-7 amin’ny taona A, ilay antsoina hoe vavak’i Jesoa Mpisorona, mitalaho amin’ny Rainy dia in-enina miverina ny hoe Ray, Ray Marina, Ray Masina. Vavaka hitalahoan’i Jesoa amin’ny Rainy ho an’ireo mpianany sy ireo mino Azy.
Ny fiantombohan’ny toko faha-17 dia lazain’i Masindahy Joany fa avy nilaza izany zavatra rehetra izany Izy no niandrandra ny lanitra. Tsy inona moa izany zavatra rehetra izany fa ny zavatra rehetra tokony hiainantsika mba hananantsika ny fiadanana Aminy.
Nambarany tamin’ny mpianany fa ny Fiangonany dia miorina amin’ny fifanompoana, fifankatiavana sy ny fiombonana; avy eo dia niandrandra ny lanitra Izy. Miandrandra ny lanitra izay midika hoe manopy maso hijery ny vahoaka, mijery ny vahoaka izay mitalaho amin’ny Ray mba hananan’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Izy ilay tsy mitsahatra mibanjina ny endriky ny Ray.
Ny tanjon’izay rehetra irahiny koa dia ny hamahana ny andian’ondriny. Ny fahalalana an’Andriamanitra ho Ray Masina sy Marina no fiainana mandrakizay satria izany no manova ny fon’ny olona sy ny fomba fiainany, hifanaraka amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny maha Zanany antsika. Fahalalana tsy mianina amin’ny ara-tsaina anefa izany, fa fahalalana entanin’ny fitiavana, satria mahatsapa fa tiana ka te ahalala ny endrik’ilay mitia mialoha.
Voninahitra nanan’i Kristy mialoha ny nahariana izao tontolo izao, dia ny voninahitra maha Zanaka, izay nomena antsika koa tamin’ny Batemy. Voninahitra ahalala ny Ray, voninahitra ho velona mandrakizay. Tanteraka etoana araka izany ny fanirian’i Adama, te hitovy endrika amin’Andriamanitra, satria irìn’i Jesoa hitovy Aminy isika. Tsy toy ny hevitry ny bibilava anefa, fa Andriamanitra mahafoy ny Zanany lahitokana. Tsy ny fandikana ny Teniny araka ny voalazan’ny bibilava no itovizana amin’Andriamanitra fa ny fandraisana ny anaran’Andriamanitra notorìn’i Jesoa amintsika ka ahafahantsika miaina araka ny Tenin’Andriamanitra.
Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesoa, tsara avahana eto ny tontolo tian’i Jesoa lazaina, tsy ny tontolo hitambaran’ny zava-boaary rehetra, fa ny tontolon’ny lainga sy ny avonavona izay manimba ny fiaraha-monina sy mandrava ny fihavanan’ny olona. Io tontolo io no noravan’i Jesoa, io ilay tontolo noreseny. “Aza matahotra fa efa naharesy an’izao tontolo izao Aho”, hoy Izy (Jo 16, 33). Eo amin’izao tontolo izao isika ka na miandrandra ny lanitra aza dia tsy ho variana hibanjina azy, fa hahatsiaro mandrakariva ny andraikitra nankinina amin’izay maniry handova ny fiainana, miaina ny maha zanaka amin’ny fiezahana ahalala bebe kokoa an’Andriamanitra.
Tsy ho sanatria hivavaka ho an’ny firaisan’ny mpino isika kanefa tsy hiezaka akory handravina ny disadisa sy ny tsy fifankahazoana. Tsy ho sanatria ny mpianatr’i Kristy no hisara-bazana, tsy ho sanatria ho voninahitra na ho fahafinaretana na ny haren’izao tontolo izao no himatimatesantsika ka atakalo ny fiainana mandrakizay.
Ho ao amintsika anie ny Fanahy Masina, ka handavorary antsika ho Tempolin’Andriamanitra ho fanomezam-boninahitra an’i Kristy. Ho tsapantsika anie ny maha sarobidy ny tenantsika ka handavorariantsika izany ao aminy.