25 mey 2023 — Alakamisy, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)

Tamin’ny Evanjely tamin’ny Alahady faha-7 dia nivavaka ho an’ny mpino rehetra i Jesoa, nivavaka tsy ho an’ireo apôstôly ihany fa ho an’izay rehetra mino.

Ny didy vaovao nomeny an’izay te ho mpianany dia zary vavaka eto. Tsy misy zavatra hafa azontsika atao laharam-pahamehana noho izany fiombonana izany, io ihany no lalana ahafahan’ny olona mino fa i Kristy no ilay Masin’Andriamanitra. Nafoin’i Jesoa ho antsika ny voninahiny maha zanaka azy mba ahairay antsika, mba ahafahantsika mitia. Fa firifiry moa ny disadisa ao amin’ny Eglizy noho ny fanaparam-pahefana, fiarovana ny voninahitra araka ny toe-tsain’izao tontolo izao ka heverin’ny sasany ho mpangalatra andraikitra na tsy mandray andraikitra, satria tsy manaraka ny baiko.

Ny fiombonana no baiko tokana manentana ny tena mpianatra marina. Fanirian’i Jesoa ny hitoeran’izay mino Azy amin’izay hitoerany ao an-tranon’ny Ray. Hiaina ny maha zanaka sy maha fianakavian’Andriamanitra. “Raha ny olombelona no voninahitr’Andriamanitra dia ny fibanjinana an’Andriamanitra kosa no fiainan’ny olombelona”, hoy i Masindahy Irenée de Lyon.

Ny voninahiny mamirapiratra eo amintsika no ahazoantsika ilay Ray Masina loharanon’ny fahamasinana rehetra, dia Ray marina ihany koa. Tsy manamasina antsika hiombona aina fotsiny Izy fa manamarina antsika ihany koa mba ho taratry ny fahamarinany isika. Ny Zanany ilay hany marina maty ho antsika mpanota no nanehoany ny voninahiny. Tsy afaka ny hahalala izany izao tontolo izao, fa izay mahalala ny anaran’Andriamanitra kosa no honenan’ny fitiavana, dia ilay fitiavana itiavan’ny Ray ny Zanany. Izay mahalala azy ho Ray no afaka miaina ny maha zanaka ka afaka mitia satria taha-dRay.

Fiombonana zary hafaliana ho hasambarana vokatry ny finoana ka hitombo sy hivelatra araka ny fivoaran’ny finoana. Tsy fivoarana miankina amin’ny herin’ny tena fa fivoarana miankina amin’ny firaisana aina amin’ny foto-boaloboka (Jo 15, 1…)

Hampianatra antsika hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra anie ny Fanahy Masina, hanazava sy hanilo ny saintsika hifanaraka amin’ny an’ilay efa tia sy niantso antsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...