Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18a)

Ny Tompo mpanjakan’i Israely eo aminao.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mirehareha amin’ny fonao rehetra ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,
ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany,
izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna,
ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao,
Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao:
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorìko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 12, 9-16b)

Mifankatiava toy ny ifankativan’ny mpirahalahy.

Aza asiana fihatsaram-belatsihy ny fitiava-namana;
mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpirahalahy;
mifaninàna hifanaja.
Raha ny amin’ny fahazotoana,
dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo;
ny Tompo anie no tompoinareo e!
Mifalia amin’ny fanantenana,
mandefera amin’ny fahoriana,
ary mahareta amin’ny fivavahana;
manampia ny olomasina araka izay ilaina,
ary mazotoa mampiantrano vahiny.
Misaora izay manenjika anareo;
misaora, fa aza manozona.
Miaraha mifaly amin’izay mifaly,
ary miaraha mitomany amin’izay mitomany.
Miraisa hevitra;
aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Iz. 12, 2-3. 4. 5-6.

Lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Intý ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia ny Tompo,
Izy no famonjena ahy teo.

Hanovo rano an-kafaliana ianareo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ary izao no holazainareo amin’izany andro izany.

Miderà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
torio amin’ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny Anarany.

Mihirà ho an’ny Tompo fa nanao zava-mahagaga Izy;
ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.
Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)

Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra,
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo niantso mafy hoe:

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka
izay nampilazain’ny Tompo taminy!”

Ary hoy i Maria:

“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko,
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany
sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy:
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanan-karena kosa, nampodìny mitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...