06 jona — I Masindahy Norbert dia teraka tao Xanten, tanana kely ao Rhénanie, manodidina ny taona 1080. Taranaka amperora ny ray aman-dreniny avy ao Allemagne sy Lorraine. Mbola tanora izy dia efa nanana andraikitra tao am-piangonana nefa tsy nahatohitra ny fironany tany amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao izany andraikitra noraisiny izany.

05 jona — I Masindahy Boniface resahana eto dia ilay arseveka tao Mayence, maty martiry tamin’ny 754. Teraka tao Crediton tao Angletera tamin’ny 680 i Masindahy Boniface fa mbola Winfrid moa no anarany tamin’izany. Nisy aretina nahery vaika nahazo azy tamin’izany fotoana izany. Izy anefa efa naniry handeha hiditra hitoka-monina fa tsy navelan’ny ray aman-dreniny.

04 jona — Teraka tao Lyon tokony ho tamin’ny taona 447 i Clotilde. I Chilpéric II, mpanjakan’i  Burgonde no rainy ary i Carétène kristianina no reniny. Nobeaziny tamin’ny hatsaram-panahy sy fanajana ny martiry tao Lyon i Clotilde indrindra fa ny fanajana an’i Masimbavy Blandine izany.

03 jona — Tamin’ny fotoana mbola nanjakan’ny fanompoana sy ny fanompoan-tsampy ary ny fihinana olona moa no tonga tao Ouganda i mompera Lourdel sy Ivinhac mba hitory ny Vaovao Mahafaly ary nonome azy ireo alalana malalaka ny mpanjaka Mudisha tamin’izany fotoana izany.

02 jona — Tovovavy nobaboina i Masimbavy Blandine, maty martiry tao Lyon tamin’ny fotoana nanjakan’ny amperora Marc Aurèle tamin’ny taona 177. Nahery fo tokoa ity tovovavy ity tamin’ny fotoana nampijaliana azy. Maro ireo namany no tsy nahatanty ny fampijaliana ka niverin-dalana ary nihemotra tamin’ny finoana fa izy kosa dia sahy nijoro hatramin’ny farany.

01 jona — Martiry tamin’ny taonjato faharo i Masindahy Justin, avy any Flavia Neapolis izy na antsoina hoe Naplouse any Palestine amin’izao fotoana izao. Mpanompo sampy ny ray aman-dreniny, nanan-katao tokoa izy ireo ary nandalina ny kolontsaina sy ny fiteny grika ka afaka tsara nampianatra an’i Justin.

31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.

30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.

29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.

28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.

27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.

26 mey — I Philippe Néri dia teraka tao Florence ny 21 jolay 1515. Notaire ny rainy. Tao amin'io toerana io ihany koa izy no notezaina. Nantsoina hoe Philippe kely tsara fanahy izy tamin'izany, noho izy tsara toetra sy malefaka ary mahatehotia.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...