28 jolay — Iray amin’ireo olomasina nanorina ny tananan’i Bretagne i Samson. Voalaza fa teraka tany amin’ny faritra Glamorgan ankehitriny, izany hoe izany hoe atsimo andrefan’i Pays de Galles izy io. Efa ela ny ray aman-dreniny no naniry hanan-janaka izay voa nahazo azy.
27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.
26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.
25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.
24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.
23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.
22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.
21 jolay — Teraka tany antenantenan’ny taonjato fahatelo i Masindahy Victor. Avy amin’ny fianakaviana andriana tao Marseille izy io. Kristianina izy ary rehefa tonga ny fotoana nisafidianana ny asa dia nirotsaka ho tafiky ny amperora ka lasa manam-boninahitry ny tafika thébaine teo ambany fiarovan’ny amperora Dioclétien sy Maximien Hércule.
20 jolay — I Masindahy Apollinaire resahana eto dia ilay avy any Antioche. Mpianatr’i Masindahy Pierre tamin’ny taonjato voalohany. Nohamasinina ho evaka tao Roma izy io dia nalefan’i Masindahy Piera tany Ravenne mba hitory ny finoana kristianina.
19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.
18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.
17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco