29 jolay — Rahavavin’i Marie Madeleine anabavin’i Lazara i Masimbavy Marthe. Mpikarakara tokantrano izy ary tao Betania izy ireo no nitoetra. Mendrika tokoa izy amin’ny halemen-panahy sy ny fitiava-namana ka nampiavaka azy ny asa atao amin’ireo sahirana sy ny fampiantranoana ny mpamonjy sy ireo mpianany.

Indray andro raha niantrano tao aminy i Jesoa dia nipetraka teo anilany i Marie Madeleine mba hiaino azy, fa i Marthe kosa sahirana tamin’ny fikarakarana sy ny raharaha tao an-dakozia. Ka nitaraina taminy i Marthe nanao hoe “Tompoko tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko hanompo irery, mba asaivo mananampy ahy re izy.” Fa hoy i Jesoa : “Marthe, Marthe, maro tadiavina sy be tebiteby ianao nefa zavatra iray monja no ilaina, nefa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy alana aminy”. Rehefa tonga mba hamaha an’i Lazara i Jesoa dia i Marthe no nitsena azy. Fa i Marie Madeleine kosa nijanona tany an-trano. Dia hoy Marthe raha vao nahita an’i Jesoa : “Raha taty ianao Tompoko dia tsy maty ny anadahiko ary na dia izao aza dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’ny Andriamanitra dia homeny anao izany”. Rehefa nambaran’i Jesoa azy fa izy no fananganana sy fiainana dia hoy Marthe hoe : “mino aho fa Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona”. I Marthe moa dia nahondran’ireo Jody tamin’ny lakana tsy misy fivohy niaraka tamin’i Lazara sy i Marie Madeleine, natopatopan’ny onja teny ka nahazo ny sisi-tanin’i Provence. Nifanampy tamin’i Lazara sy i Marie Madeleine izy tamin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Lazara tamin’izany lasa eveka tao Marseille.

Nampalaza an’i Marthe ny fahafahany namatotra ilay dragona nantsoina hoe Tarasque. Nampihorohoro ny mponina nanamorona an’i Rhone izy io. Rehefa nanomboka nitory ny finoana tao an-tanana i Marthe dia hoy ny horakoraky ny vahoaka hoe raha vitanao ny mamono ilay dragona dia manaraka ny finoanao izahay. Dia hoy Marthe hoe raha vonona hino ianareo, efa ny zavatra rehetra ho an’ireo izay mino. Dia izy irery ihany no nanatona ny zohin’ilay biby. Mba handreseny azy dia nanao famantarana ny hazofijaliana izy, nangovitra ilay biby ary nahondriny ny lohany, nandroso i Marthe ary natsipiny teo amin’ny biby ny fehikibony ary nentiny teo amin’ireo vahoaka toy ny amboara-pandresena ilay biby. Lavo ilay Tarasque rehefa nifandrombonan’ny vahoaka ny famonoana azy, ny vahoaka raha teo te hamaly faty. Lasa kristianina ny mponina tao, ary nitoetra tao Marthe, nanompo ireo mahantra sy nanokana ankohonam-piainana ho an’ireo virjiny.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...