30 jolay — Teraka tao Corneli tamin’ny taona 405 i Pierre. Fanta-daza ny fianakaviany. Mbola kely izy dia efa liana tamin’ny fivavahana ary nanampy an’i Cornelius, evaka tao amin’io tanana io, ary io moa no nanamasina azy ho diakra tao Imola.

Ny papa Sixte III no nanendry an’i Pierre ho arseveka tao Ravenne, mba handimby ny eveka Ursus tamin’ny taona 433. Noraisin’ny olona tamin-panajana tokoa i Pierre. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia i Ravenne no toerana nonenan’ny amperora tandrefana. Anisan’ny teny nanaitra tamin’ny fampianaran’i Pierre ny hoe : “Raha te hikorana amin’ny demony dia tsy ho afaka ny hifaly miaraka amin’i Kristy”. Io fahazain’i Pierre miteny io no nahatonga ny fanampin’anarany hoe “Chrysologue”. Maro tokoa ny toriteniny no mbola azo vakiana amin’izao fotoana izao ary manampy amin’ny fitaizam-panahy ka anisan’izany ny fampianarany momba ny zaza mpandany.

Anisan’ireo asa sorany malaza ilay hoe “ad Eutychen” izay nanoro ny hevitra ny papa Léon le Grand momba ny fanekena. Voalaza fa efa nampiomanin’Andriamanitra ny amin’ny hahafatesany i Pierre ka lasa izy nihataka tany an-tanindrazana nanao ny asa fiantrana sy nanolotra fanomezana sarobidy, avy eo izy niditra tao amin’ny fiangonana Saint-Cassien ary nivavaka tao izy mba handraisan’Andriamanitra ny fanahiny. Teo amin’ny fahavalo ambin’ny folo taona naha eveka azy no nodimandry i Pierre Chrysologue ary nalevina teo akaik’i Masindahy Cassien. Anisan’ny hafatra sy ny fampianarana napetrany ny hoe “ I Kristy mofo nitsimoka tao an-kibon’i Maria Virjiny, nitombo tao amin’ny nofo, nibe tamin’ny fijaliana, masaka tao amin’ny lafaoro fasana, voatahiry tao amin’ny Fiangonana ary nozaraina isan’andro tamin’ny mpino toy ny sakafo avy any an-danitra teo ambony otely”. Fatra-panaja sy natoky an’i Masina Maria ihany koa i Pierre Chrysologue.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...