29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.
28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.
27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.
24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.
23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.
21 jona — I Masindahy Louis de Gonzague dia teraka tao Castiglione ny 9 marsa 1568, zanak’i Ferdinand Ier Gonzague sy i Marta Tana de Santena i Louis. Zaza voalohany izy ary ny reniny no tena niandraikitra ny fanabeazana azy ara-panahy. Mpino katôlika mafana fo ny fianakaviany ary maro ireo eveka sy kardinaly nipoitra avy amin’izany fianakaviana izany.
20 jona — I Masindahy Silvère no papa faha-58. Teraka tao Frosinone tao Campanie i Silvère, zanak'i Hormisdas. Voafidy ho papa ny 01 jona 536 izy, ary napetraka teo amin'ny Fiketrahana Masina ny 08 jona 536. Nanao ny andraikitra naha papa hatramin'ny 11 nôvambra 537 i Silvère. 19 ireo eveka nohamasininy nandritra izany naha papa azy izany, 13 ny pretra ary 5 ny diakra nametrahany tanana.
19 jona — I Masindahy Romuald dia teraka ny taona manonidinana ny 951, avy amin’ny fianakaviana Onesti, ducs de Ravenne. Sergio no anaran-drainy, nanabe azy tao anatin’ny fitadiavana fafinaretana izy io. Indray andro raha niady taminy ny rainy sy ny olona iray tao amin’ny fianakaviana dia i Romuald no nasain’ny rainy ho vavolombelona hanatrika ny adin’izy ireo izay niafara tamin’ny fifamonoana.
18 jona — Miaramila tao amin’ny tafika romanina i Léonce, ary mpitoka-monina iray no nampibebaka azy. Nozarainy tamin’ireo mahantra ny sakafon’ny tafika misy azy. Ary tsy niafina izy tamin’ny fitiavam-bavaka an’i Kristy, sy nanameloka ny fivavahana amin’ny sampy.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco