03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.
02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.
01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.
30 jona — Anisan’ireo olomasina malaza ao Aquitaine i Martial satria mahatratra 23 ireo tanana mitondra ny anarany ary maro ireo fiangonana ary paroasy eo ambany fiarovany. Izy no evaka voalohany tao Limoges iray amin’ireo eveka fito avy any Roma nalefa tany Gaule tamin’ny taona 250.
29 jona — I Masindahy Pierre sy i Paul moa dia Apôstôly roa lehibe. Tsy azo ampitahana izy ireo, nefa niombona aina tamin’ny finoana ka samy naiditra am-ponja noho ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly. I Pierre no nisolo an’i Kristy teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana, i Paul kosa tsy nikely soroka, tsy nitandro hasasarana tamin’ny fampielezana ny finoana teo amin’ireo Grika sy ny Romanina.
28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.
27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.
24 jona — I Masindahy Jean Baptiste no ilay mpaminanin’ny Avo Indrindra nanambara sy nilaza ny fiavian’i Jesoa hoe Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy ihany koa no nanao batemy an’i Jesoa teo amoron’i Jordany, ny nahatonga azy nantsoina hoe Jean Baptiste moa dia noho izy izay nanao batemy izay, izy no ilay mpialoha lalana ny Mesia.
23 jona — Teraka tao Castelnuovo any Asti ny taona 1811 i Joseph Cafasso. Zanak’olona tsotra izy, ary fahatelo amin’ny zanaka nateraky ny ray aman-dreniny. Ilay anabaviny nantsoina hoe Mariane moa no renin’ilay olotsambatra atao hoe Don Joseph Allamano. Hatramin’ny fahazaza i Cafasso dia nataon’ny olona hoe olomasina kely na tao amin’ny fianakaviany na tao an-tanana.
22 jona — Teraka tamin’ny taona 353 tao Bordeaux i Masindahy Paulin, Meropius Pontius Paulinus no tena anarany, zanak’olona manam-boninahitra sy mpanefoefo izy, nanana tany maro tany Italie, Aquitaine sy Espagne izy ireo. Poeta iray antsoina hoe Ausone fanta-daza tamin’izany fotoana izany no nampianatra an’i Paulin ary dia lasa mpandaha-teny sy mpanoratra tena nikoizana koa izy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco