12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.

Teo amin’ny faha-20 taonany no nanambady an’i Christophe de Rabutin, baron de Chantal, i Jeanne Françoise. Niteraka enina mianadahy izy ireo fa ny roa voalohany moa maty an-tanana ary ny farany ihany koa vao teo amin’ny faha-10 taonany dia nondaosin’ny fahafatesana. Renim-pianakaviana mendrika sy tia vavaka i Jeanne Françoise, fa nanimba ny fony ny fahafatesan’i Christophe vadiny satria nisy namono io vadiny io ny taona 1601 ka lasa te hamalifaty sy namoy fo izany izy mandritra ny nisaonany ny vadiny. Tao aorian’io anefa dia nahatsapa fa nantsoin’Andriamanitra izy ka nitady mpitantana am-panahy.

Teo anelanelan’izay, nitady trano itoerana tany amin’ny rafozan-dahiny i Jeanne Françoise ka rehefa nitoetra tao izy ireo dia nanaovan’ity lehilahy ity toeran-tsy zaka. Nozakain’i Jeanne am-pandeferana izany, fa nivoady kosa anefa izy ny tsy hanambady intsony na dia vao 28 taona monja aza. Rehefa lehibe daholo ireo zanany dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra izy. Ny taona 1604 izy no nihaona tamin’i François de Sales, evekan’i Genève. Nonina tany Assise io izay nitory teny momba ny karemy tao Dijon. Nifampiresaka izy ireo ary nanaiky io eveka io fa hitantana azy ara-panahy.

Ny taona 1610 no namonjy an’i François de Sales tany amin’ny dioseziny i Jeanne Françoise, ary nanorina fikambanana vaovao teo ambany fitarihana am-panahy an’io eveka io. Nantsoina hoe “Ordre de la Visitation de Sainte Marie” io fikambanana io. Fikambanana natokana ho an’ireo vehivavy manana fahasalamana marefo. Tao amin’ny duché de Savoie tao Annecy no naorina ny trano voalohany. Tao aorian’ny nahafatesan’i Masindahy François de Sales ny 1622 dia nahatratra telo ambin’ny folo ireo ankohonam-piainana notantaniny. Tao anatin’ny sivy ambin’ny folo taona dia nahatratra efatra amby fitopolo ireo trano naoriny. Ny 1615 no nanomboka nanorina tao Lyon, France ny ankohona-piainana izy. Nanomboka ny 1618 dia lasa fikambanana relijiozy mihiboka io fikambanana “Ordre de la visitation de Sainte Mar”ie io araka ny fanapahan-kevitry ny papa Urbain VIII sy efa fangatahan’i François de Sales raha teo. Dia niitatra hatrany ny fanorenana tao France, ka tany Grenoble ny taona 1618, tany Paris ny taona 1669. Ny taona 1638 no tonga tany Alpes ny “Ordre de la Visitation”, ary niorina tao Turin. Mariiana fa tao aorian’ny nahafatesan’i François de Sales dia i Vincent de Paul indray no fakan’i Jeanne Françoise hevitra. Ny 13 desambra 1641 no nodimandry teo amin’ny faha-69 taonany i Jeanne Françoise tao Moulin. Ny papa Benoit XIV no nanandratra azy ho olontsambatra ny 1751, ary 16 jolay 1767 ny papa Clement XIII no nanambara fa olomasina i Jeanne Françoise de Chantal. Ireo taratasy tamin’ny nananganana azy ho olontsambatra sy ho olomasina dia nilaza fa ny 21 aogistra no ankalazana azy fa nanomboka ny taona 2003 no nafindran’ny Fiangonana ho 12 aogositra ny fetin’ity olomasina ity.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...