08 aogositra — Dominique de Guzman dia teraka tao Caleruega diosezin’i Osma tao Espagne tamin’ny taona 1170. Tao amin’ny sekoly Palancia izy no nandranto ny fianarana ny teôlôjia sy ny filôzôfia, ny taona 1196 izy niaraka tamin’ny dadatoany ary nikatroka tao amin’ny katedraly tao Osma ka niara-niaina tao izy ireo.
Niaraka tamin’ny evaka nanao iraka izy ka tonga tany Eoraopa avaratra, ary tamin’izany no nahalalany ny fandavan’ireo mpanao fampianaran-diso, ka hatarany amin’ny faritra atsimon’i France iny. Tao Montpellier i Dominique no nihaona tamin’ireo solontenan’ny papa nomena andraikitra hamerina ireo Albigeois ao amin’ny Fiangonana. Ka nanapa-kevitra i Dominique, iray dia tamin’ireo légats ireo, hitoriny Vaovao Mahafaly araka ny fomban’ny Apôstôly. Vetivety anefa dia irery i Dominique, satria nondaosin’ny fahafatesana ireo légats ireo. Ny iray maty nisy namono. Ka hatramin’ny taona 1210 dia nitory teny sy nampianatra no nataon’i Dominique tao Toulouse, avy eo izy nankany Prouilhe talohan’ny nandraisany ny paroasy tao Fanjeaux. Ny taona 1215 nihavana tamin’ny Fiangonana i Toulouse ka niverina tany i Dominique ary nanorina ny fikambanan’ny Frères Prêcheurs, avy eo moa izy niaraka tamin’ny eveka tao namonjy ny konsily fahefatra tao Latran. Ny fikambanana naoriny moa dia nampanarahany ny fitsipik’i Masindahy Augustin, ka tao Paris izy ireo no nipetraka tamin’ny voalohany avy eo tany Bologne, nitombona ny ankohonam-piainana ka nihitatra hatrany España, Angleterre, Scandinavie, Hongrie, Proche Orient. Tany Italie no natao ny “Chapitre général” voalohany ny taona 1220, tamin’izany no nanamaritana ny lalam-panorenan’ny fikambanana Frères Prêcheurs izay nantsoina taty aoriana hoe Dominicains. Nodimandry tao Bologne ny 06 aogositra 1220 moa i Dominique.
Ny nimasoan’i Dominique dia ny famonjena ny fanahy ka nampianariny ny vokatsoa azo avy amin’ny fandinihan-tena ny olona. Teo ihany koa ny zoto-po nanany nandalina sy nampianatra ny fahamarinana. Toetra telo no mampihavaka ny fikambanana nahorin’i Masindahy Dominique : ny fahalalana miorim-paka amin’ny foto-pampianarana, ny fitokisana tanteraka amin’ny fiketrahana apôstôlika, ary ny fitiavam-bavaka sy ny fanajana an’i Masina Maria. Ankoatra ny filôzôfia sy ny teôlôjia nohalalininy tao Palancia sy ny toro-lalana noraisiny tamin’ny papa nifandimby dia nandalina ny Soratra Masina ihany koa izy indrindra fa ny Taratasin’i Masindahy Paoly. Ezaka nataony sy ireo mpanara-dia azy ny nanasitrana ny ratra navelan’ny hadisoana tamin’ny endriny rehetra. Ary nanapariaka ny hazavan’ny finoana kristianina izany hoe ny fahendren’Andriamanitra. Maro ireo mpianany no fanta-daza amin’ny fiarovana ny foto-pampianarana kristianina toa an’i Hyacinte tao Pologne, Vincent Ferrier, Thomas d’Aquin ary i Raymond de Penyafort.