06 aogositra — Ankalazaina amin’izao ny fiovan’ny Tompo tarehy tao an-tendrombohitra. Ity fiovan’ny Tompo tarehy ity moa izany dia fiovana hita maso amin’ny vatan’i Jesoa nandritra ny fiainany teto an-tany.

Mba hanehoana amin’ireo mpianany telo niaraka taminy tany dia tsy iza izany fa i Piera, i Jakoba sy i Joany, hanehoany amin’izy ireo ny maha Andriamanitra azy. Ny Evanjely telo dia samy milaza azy io avokoa. Ohatra ny ao amin’i Masindahy Matio 17, 1-9, ny ao amin’i Masindahy Marka 9, 2-9, i Masindahy Lioka 9, 28-38. Araka ny voalazan’i Masindahy Lioka dia raisintsika ao amin’ny adininy faha-29 : “Raha mbola nivavaka i Jesoa dia niova toetra ny tarehiny, sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany, ary indro nisy roa lahy niresaka taminy dia i Moizy sy i Elia izay niseho taminy tamim-boninahitra sy nilaza ny halasana izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema”.

Navesatry ny tory moa ny mason’i Piera sy ny namany nefa nahari-tory ihany izy dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roalahy teo aminy. Araka izany dia hoe nankany an-tendrombohitra i Jesoa niaraka tamin’ny mpianany ary niova endrika sy lasa fotsy manjopika ny fitafiany. Io famatarana io dia mampahatsiahy ny fidinan’i Moizy ny tendrombohitr’i Sinaia (Eks 34, 29-30), izao no voalaza ao hoe : “Nidina avy any amin’ny tendrombohitr’i Sinaia i Moizy ; ary Moizy nitondra ny takela-bato roa nisy ny teny vavolombelona niaraka taminy, nony nidina avy eny an-tendrombohitra ; ary tsy fantatr’i Moizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny odi-tavany, nandritra ny niresahany tamin’ny Tompo”. Izay no nambaran’ny Eksaody fa azo jerena ihany koa ny any amin’ireo boky fanambarana milazalaza ny anjely irak’Andriamanitra any amin’ny Apôkalipsa any izany, milaza hoe “fotsy manjopiaka izay”.

Fa hitantsika araka ilay fiovan’ny Tompo tarehy ihany koa ny hoe teo i Elia sy i Moizy. I Moizy dia maneho ny lalana araka ny novakiantsika tao amin’ny bokin’ny Eksaody teo, fa i Elia kosa dia manambara ny fitambaran’ny mpaminany. Ny fahitana an’i Elia dia mampahatsiahy ny teny faminaniana momba ny fiavian’ny Mpamonjy. I Elia izay tsy maintsy mialoha ny Mpamonjy sy manamboatra ny lalana. Ary i Moizy no maneho ny mpanafaka ny vahoaka jody, ary tamin’ny alalan’i Moizy no nanolorana ny olombelona ny lalan’Andriamanitra. Izy ireo ihany koa dia heverina fa mpialoha lalana an’i Kristy. Nentin’Andriamanitra i Moizy ary nahita avy eny an-danitra ny firenena nampanantenaina ny vahoaka Israely. Maty moa izy dia nalevina fa tsy fantatra ny fasany, fa i Elia kosa nampakarina any an-danitra. Mifandray indrindra amin’ny fanambarana na ny filazana ny fitsangan-ko velon’ny Tompo io fiovana tarehy izay miseho araka ny nambarantsika teo amin’ny Evanjely telo ireo. Araka ilay fampanantenana dia ilay hoe hahazo ny fiainana mandrakizay ny zanak’olombelona. Noho i Kristy dia nomem-boninahitra tamin’ny fitsanganan-ko velona ny aina. Nohamafisin’ny papa Benoît XVI fa famantarana ny fitsanganan-ko velona io fiovan’ny Tompo tarehy io. Marihina fa ny alahady manaraka ny 06 aogositra no fankalazana manetriketrika io fiovan’ny Tompo tarehy io ho an’ny Eglizy romanina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...