Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany." Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: "Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy." Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy."
Tamin’izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?" Ary namaly izy ka nanao hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao."
Dia hoy i Jesoa taminy: "Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao." Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Iza àry no namako?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: "Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho." Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?" Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: "Ilay niantra azy." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mandehana àry ka manaova toy izany koa."
♦ Orinasa 66 tamin'ireo 300 no nahazo fankatoavana avy amin'ny Ministera mpiahy fa afaka hanondrana Lavanila eo amin'ny tsena iraisam-pirenena... ♦ dVola hatrany amin'ny 151 000 000 Euro no entina hanatanterahana ilay tetik'asa "Téléphérique" hapetraka ao an-drenivohitra, vita sonia omaly tany Frantsa ny famatsiam-bola... ♦ Andro faharoa amin'ilay hetsika "Salon d'Orientation de l'étudiant et de l'emploi" anio, tanterahina etsy Anosy...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco