Tamin’izany andro izany, tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Koa izay rehetra nolazainareo tao amin’ny maizina dia ho re ao amin’ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin’ny sofina tao an-trano, dia hotorìna eny an-tafon-trano. Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rahefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, matahora azy. Moa tsy ilavoamena va no vidin’ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo."

♦ Manefa ny adidiny hisoroka mialoha izay mety ho disadisa amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny CFM. Nivoitra izany tamin'ny fanokafana ny fotoam-pivoriana fahatelo... ♦ Mitaky ny hanesorana ireo mpiara-miasa tamin'ny ministry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa teo aloha ny Sempama... ♦ Mampiazakazaka ny fahantrana ny fanaovana ampihimamba ara-toekarena, momba ny lisitr'ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila hoy Rolland Ratsiraka, député... 

Maria dia nantsoin'Andriamanitra tamin'ny anarany, manokana ny antso, samy manana ny tantarany ny tsirairay manoloana ny antson'Andriamanitra. Manampy antsika hamantatra ny antson'Andriamanitra ny fanomezana lanja ny anarana toy ny anarana amin'ny batemy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Hisoroka mialoha izay mety ho disadisa amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny CFM... ♦ Mitaky ny fanesorana ireo mpiara-miasa tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fampiofanana arak'asa teo aloha ny SEMPAMA... ♦ Mampihazakazaka ny fahantrana ny fanaovana ampihi-mamba ara-toekarena. Fanehoan-kevitry ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka, momba ny listr'ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila eto amintsika...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...