Tamin’izany andro izany, nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’"
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nilaza hoe:
"Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro".
Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao". Ary hoy Izy: "Inona no tianareo hataoko aminareo?" Dia hoy ireo: "Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao". Ary hoy i Jesoa taminy: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?" Hoy ireo taminy hoe: "Zakanay". Fa hoy kosa i Jesoa: "Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany". Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:
"Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco