Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe: "Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: ‘Omeo an’itý ny fitoeranao’, ary amin’izay, dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: ‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin’ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: "Azo atao ve ny manasitrana amin’ny andro sabata?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, izay Izy vao nilaza tamin’izy ireo hoe: "Raha latsaka amin’ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?" Fa tsy nanan-kavaly an’izany izy ireo.
Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe: "Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin’i Herôda hovonoina." Dia hoy Izy tamin’ireo: "Mandehana lazao amin’izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin’ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: "Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?" Ka hoy Izy tamin’ny olona: "Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hovaliany hoe: ‘Tsy fantatro izay niavianareo.’ Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’ Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco