Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe : "Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra ?" Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy : "Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra akory. Koa amin'izany, na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin'ny anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin'ireny madinika ireny aza ; fa lazaiko aminareo fa ny anjelin'izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin'ny Raiko izay any an-danitra".
♦ Mitaky ny handravàna ny Ceni, ka hananganana rafitra vaovao mikarakara ny fifidianana ny antoko Otrikafo. Aty amin'ny firenena afrikàna nozanahan'ny Frantsay ihany no misy Ceni izany hoy izy ireo... ♦ Manaitra ny fitondram-panjakàna ireo fiaraha-monim-pirenena any amin'ny Faritra Sava amin'ny fahapotehan'ny lalam-pihariana Lavanila, misy aretina mpahazo tiy voly ity... ♦ Nitsoaka ary nihazo ny tanànan'i Farafangàna ireo olona an-jatony traboina tamin'ny fanafihan-dahalo nitranga tao Manambotra-Atsimo, tanàna, trano maro, sekoly lasa lavenona...
Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao." Dia hoy i Jesoa taminy: "Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio."
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: "Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy." Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: "Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo fa tsy nandre."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: "Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona. Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco