Tamin’izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’ Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: ‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma noho ny ho amin’izany tanàna izany."

Tamin’izany andro izany, nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo."

Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy." Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.

Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe." Dia niteny i Joany nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy." Fa hoy i Jesoa taminy: "Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...