Ny fandrosoan'ny sasany dia tsy ho vato misakana ny fivoaran'ny hafa, na hanararaotana hanandevozana azy. Aza hadinoina fa ny fakam-panahy hangoron-karena dia efa misy hatrizay. Tenin'ny Kristy ny hoe " katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany". Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 16 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26
Ny fonjan-kevitra ilazana fa natao ho an'ny daholobe ny haren'ny tany dia tsy azo sarahina amin'ny fananganana tontolo ara-drariny sy miray hina. Tsy anjara toerana ho an'ny fanilikilihana sy ny fitsetsefana izany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 15 mey 2022 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 31-33a
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco