Mba hitazomana ny fahasalaman'ny volo sy ny hodi-doha dia tokony hanasa loha in-dray isaky ny herinandro farafaharatsiny, ary tokony ho jerena tsara ny kalitaon'ny savony hampiasaina sy ireo ankora haosotra. Rehefa manasa loha dia ezahina tsara mba tsy hisy rano-tsavony na ankora hafa tavela, noho izany dia atao tsara kobana. Raha vao misy fisehoana zavatra mampiahiahy ny hodi-doha dia tokony hamonjy toeram-pitsaboina... 

♦ Vaky vava ny teo anivon'ny PAC omaly fa sahirana izy ireo, amin'ny fanenjehina ara-pitsaràna ireo tompon'andraiki-panjakana ambony. Maro tamin'ireo no nahavoarohirohy olona ambony, hoy ny PAC, no tsy misy tohiny ny fitsaràna hatramin'izao... ♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fikaonan-doham-pirenena hanomànana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Vondrona Erôpeana. Tokony havaozina tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny mpanara-maso avy amin'ity vondrona ity... ♦ Lasa narisarisa tamin'ny fanaovam-baksiny isika eto Madagasikara, taorian'ny krisy ara-pahasalamana nentin'ny Covid-19. Hanova paik'ady fanentanana ny Ministera...

♦ Feno 50 taona ny tolom-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972, nitakiana ny hetaheta sy ny tombontsoam-bahoaka. Nosantarina omaly teny Analakely ny hetsika fahatsiarovana izany, hitohy amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Mitaky ny hijerena ny tena marina, sy hampanjakàna ny rariny amin'ny fitoriany ny solombavambahoaka any Bekily, ireo mponina any an-toerana. Nanitsy ny voalazan'io olomboafidy io izy ireo fa manana lonilony aminy ny mponina noho ny olana ara-tany, ka saika nitifirana azy... ♦ Navoaka omaly ny lisitra mirakitra ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CAN 2023, afaka tapa-bolana. Anisan'ireo mpilalao voaantso i Remy Vita, mpilalaon'ny Bayern de Munich...

Ny hoe : "natao hampiasain'ny daholobe" dia tsy midika fa azon'ny tsirairay na ny daholobe ampiasaina malalaka ny zava-drehetra. Na manan-jo hampiasa an'ireo harena ireo ny olon-drehetra raha vao teraka dia tsy azo lavina fa mba hahafahana mahazo antoka fa ho ar-drariny ny fampiharana an'izany zo izany dia ilaina ny hisian'ny fitsipi-pifehezana. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...