♦ Iray volana tao aorian'ny Oniversite maty sy ny Foibem-pikarohana maty, hiroso amin'ny fitokonana fanairana mandritra ny telo andro indray ny sendikà... ♦ Efa manomboka maresaka amin'ny fandraisana ireo vahiny mpizahatany ny any Nosy Be. Sidina folo isan-kerinandro no migadona any an-toerana... ♦ Maro ireo Solombavam-bahoaka tsy manatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza. Hitondra ny heviny ato antin'izao vaovao izao ny Solombavam-bahoaka Rakotondrasoa Fetra...

♦ Ho avondrona ny mpisehatra rehetra amin'ny tontolon'ny haino aman-jery sy ny fampahalalana vaovao ka hiara-hidinika ny mikasika ny fandisoana vaovao na filazana vaovao tsy marina, ny ady amin'izany sy ireo fepetra tokony horaisina... ♦ Hiakatra fitsarana eny Anosy amin'ny 28 jona ny raharaha mahavoarohirohy ny ministra teo aloha Randrianarisoa Vaonalaroy, izay nahazoany fahafahana vonjimaika omaly... ♦ Sahia ! izay no loha-hevitra nifantohan'ny fikaonandohan'ireo vehivavy mpandraharaha na ny Women in Business andiany fahatelo, fantatra tamin'izany fa ny roa ampaha-telon'ireo vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara dia mahatsiaro ho misedra olana avokoa...

Ny fanitsiana ny olona dia zava-dehibe mba hampirindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana "correction" dia dingana iray tsy maintsy lalaovana vokatry ny fitsarana nataon'ny olona iray na  olona maro. Ny sehatra hahitàna sy hampiarana ny fanitsiana dia eo anivon'ny ankohonana, ny sekoly, ny fandraharahana, ary ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana, raha ho an'ny mpianatra, dia fanazavana faharoa ireo lesona natao teo aloha. Ny fanitsiana dia tsy tokony hiteraka ratra ho an'izay hiantefany. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitsiana eo anivon'ny ankohonana sy ny sekoly dia mora ny mandrindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana olona iray dia tokony hifaningotra amin'ny zon'ilay olona voakasika.

♦ Mamolavola ny tatitra nasionaly fahaefatra mikasika ny fiovaovan'ny toetr'andro ny REDD PLU sy ny birao nasionaly misahana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Tafiditra amin'ny fankalazana ny taona Erôpeana ho an'ny tanora amin'ity taona 2022 ity ny fiaraha-miasan'ny delegasiôn'ny vondrona Erôpeana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Plum'Art nanao ny sary tamin'ny tamboho teny amin'ny foibe fitsarana fiarakodia an'ny CUA eny Antsakaviro... ♦ Ny 75%-ny vokatra ara-indostria eto Madagasikara ahondratsika, dia akanjo avokoa. Antony nanombohana ny tetikasa Better Work eny anivon'ireny orinasa ireny... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...