Ny zavatra ananan'ny olona ara-drariny dia tsy tokony ho tazominy ho azy samirery na oviana na oviana, fa tokony ho heveriny hoe hiombonana amin'ny hafa. Izany hoe tsy tokony ho izy irery no hahazo tombotsoa amin'izany fa ny hafa ihany koa. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 18 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

♦ Mamolavola ny tatitra nasiônaly fahefatra mikasika ny fiovaovan'ny toetrandro Redd+ sy ny Birao Nasiônaly misahana ny fiovan'ny toetrandro, eto Madagasikara... ♦ Tafiditra amin'ny fankalazana ny taona eoraopeana ho an'ny tanora amin'ity taona ity, ny fiaraha-miasan'ny Delegasiôn'ny Vondrona Eoraopeana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Fikambanana Plum'Art... ♦ Manodidina ny 30.000 eo isan-taona ny taratasy fitoriana tonga eny anivon'ny Fampanoavana eto amintsika. Tsy marina noho izany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, ny filazana fa tsy itokisan'ny olona ny Fitsarana Malagasy...

♦ Nosamborina ny ministra sady solombavambahoakan'i Brickaville teo aloha, Vaonalaroy Randrianarisoa. Nentina avy hatrany sy notazomina eny Fiadanana izy, taorian'ny nisamboran'ny mpitandro ny filaminana azy, androany maraina... ♦ Tena efa misy tsy filaminana anatin'ny fitsaràna, raha tena nisy ilay fivoahan'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha ny fonja, hoy ny Randrana Sendikaly. Milaza ho matoky ny PAC, izay nametrahany ny fitoriana io tompon'andraikitra ambony anefa ity vondrona sendikà ity... ♦ Zaza 9 volana ka hatramin'ny 5 taona miisa 4.600.000 no kendrena ho vita vaksiny fanefitry ny kitrotro. Misy ny hetsi-panentanana ho amin'izany fanaovam-baksiny izany mandritra ity herinandro ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...