Alarobia 6 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4
♦ Pretra roa niharan'ny fanafihana sy fandrobàna tao Mananjary no manaraka fitsaboana aty an-drenivohitra ankehitriny... ♦ Nifarana ny atrik'asa isaky ny renivohi-paritany enina nataon'ny Ceni, andrasana amin'ity herinandro ity ny fandravonana izany... ♦ Efa mijery ireo lamina mba hitadiavam-bahaolana amin'ny fiakaran'ny vidim-panafody ny holafitry ny farmasiana sy ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka...
♦ Tsy nisy afatsy kandidà tokana no nanatitra ny antotantaratasy hirotsaka ho fidiana ho filohan'ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, izay nikatona omaly ny fe-potoana farany nahafahana nametraka izany... ♦ 12 irao maty ary 15 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Anteza Ambohimahasoa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana manomboka anio ny sendikan'ny SECES sampana Fianarantsoa, eo koa ny hetsiky ny SPATUF...
♦ Andrasana ny fotoana hisokafan'ny sisin-tanin'i Madagasikara eo amin'ny zotram-piaramanidina avy any ivelany... ♦ Mbola mitohy hatrany ny fitiliana ny valanaretina samihafa ataon'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Niray hina ary hiara-hampiato ny asa ny sendikan'ny mpandraharahan'ny Oniversiten'i Fianaratsoa sy ny sendikan'ny SECES sampana Fianaratsoa...
Ny 21 septambra no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny aretina alzheimer. Tamin'ny taona 1906 no nahitan'i Dr Aloïs Alzheimer, ity aretina ity ary nampitondrainy ny anarany. Ny Aretina alzheimer dia vokatry ny fahasimban'ny sela ao amin'ny faritra maromaro ao amin'ny atidoha ary misy akony amin'ny fiasany. Ny salan-taonan'ny olona mety ho tratry ny aretina dia eo ho eo amin'ny 65 taona eo.
♦ Nisitraka vaksiny ny Covid-19 Shinofarm 300 000 daozy avy amin'ny governemanta Sinoa i Madagasikara. Noraisina omaly tetsy Ivato ireo vaksiny ireo... ♦ Zava-dehibe ny fanampiana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fitanterana. Efa mijery vahaolana mifandraika amin'izany ny fitondram-panjakàna, hoy ny ministry ny Fitanterana ... ♦ Maherin'ny 30 taonina isan'andro ny fako mivangongo etsy amin'ny Kaominina Talatamaty, tsy araka ny fanalàna ny fako, tsy ampy ny fitaovana...
♦ Vakisiny fanefitry ny Covid-19 Sinopharm telo hetsy daozy indray no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, androany tolakandro... ♦ Nosokafana androany tamin'ny 5 ora tolakandro tamin'ny alalan'ny fihaonana ampitain-davitra ny Sekoly momba ny Fifandraisana, karakarain'ny Dicastère misahana ny Fifandraisan'ny mpiara-belona eo amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara...
♦ Fanamasinana ho pretra sy ho diakra, fankalazana ny taom-bolafotsin'ny FFVA, ary fitsofan-drano ireo mpitarika APV : ireo no hanamarika ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taona nitoriana an-kalalahana ny finoana teto Iarivo, amin'ny alahady 26 septambra izao... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny fetin'ny Lakroa Masina, mpiaro ny Aumônerie Catholique Militaire ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina... ♦ Namoaka ny laharana voalohany amin'ny tahirin-kevitra siantifika "Ilon-tsaina" ny Ivon-teorana Arrupe eny Faravohitra, eo ambany fiahian'ny Fikambanan'i Jesoa...
♦ Nanaitra ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ireo fitakiana sy ireo tambikarama, izay efa vary mangatsiaka tsy voaloa an-taonany maro ny SECES... ♦ Miantso ireo sendikan'ny SMMV, mba ho tony sy tsy hitoky afa-tsy amin'ny vaovao marina ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola... ♦ Tsy nitsaha-nihena ny isan'ny orinasa nitsangana teto Madagasikara tao anatin'ny telopolo taona farany, raha ny tatitry ny sendikan'ny indostria eto Madagasikara...
♦ Olona roa tapitrisa eo no hiniana vonoina amin'ny fivelomany, manoloana ny fahapotehan'ny seha-pihariana lavanila eto Madagasikara, hoy ireo avy any Sava. Miantso ny fanjakana tsy hametra ho 66 fotsiny ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila izy ireo... ♦ Mikasa ny hanome ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana ho an'ny orinasa tsy miankina ny fanjakana foibe. Mitsipaka izany marindrano ireo sendikà eo anivon'ny Minisiteran'ny vola, raha nanao fanambarana androany...
Talata 5 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42
Alatsinainy 4 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 25-37
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco