Ny 21 septambra no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny aretina alzheimer. Tamin'ny taona 1906 no nahitan'i Dr Aloïs Alzheimer, ity aretina ity ary nampitondrainy ny anarany. Ny Aretina alzheimer dia vokatry ny fahasimban'ny sela ao amin'ny faritra maromaro ao amin'ny atidoha ary misy akony amin'ny fiasany. Ny salan-taonan'ny olona mety ho tratry ny aretina dia eo ho eo amin'ny 65 taona eo. 

Entanina isika mba hanome fitiavana ireny olona tratry ny aretina alzheimer ireny fa maro ny tsindry mahazo azy ireny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...