♦ Nisitraka vaksiny ny Covid-19 Shinofarm 300 000 daozy avy amin'ny governemanta Sinoa i Madagasikara. Noraisina omaly tetsy Ivato ireo vaksiny ireo... ♦ Zava-dehibe ny fanampiana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fitanterana. Efa mijery vahaolana mifandraika amin'izany ny fitondram-panjakàna, hoy ny ministry ny Fitanterana ... ♦ Maherin'ny 30 taonina isan'andro ny fako mivangongo etsy amin'ny Kaominina Talatamaty, tsy araka ny fanalàna ny fako, tsy ampy ny fitaovana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...