• Tanterahan'ny Eglizy maneran-tany anio hariva sy rahampitso ny 24 ora ho an'ny Tompo... • Miandry antsika isan'andro Andriamanitra be famindram-po, hoy ny fampianaran'ny Ray masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Mila atao laharam-pahamehana ny fanabeazana hanafoanana ny fanandevozana, hoy ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina...
• Nitarika fivoriana hanamafisana ny fandriam-pahalemana ao amin'ireo Distrika efatra mandrafitra ny Faritra Amoron'i Mania, ny Praiminisitra Ntsay Christian... • Lohalaharana amin'ny fifindra-monina anatiny, ny Faritra Androy ary ny Faritra Menabe no mpandray azy ireo... • Hisy tetikasa fanadihadiana mba hahafahana mandrefy ny antontan'isa momba ireo fako plastika any an-dranomasina...
5 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)
4 avrily 2025 — Zoma, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 1-2. 10. 25-30)
3 avrily 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
2 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy— Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)
1 avrily 2025 — Talata, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy— Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)
31 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 43-54)
30 marsa 2025 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)
• Manahy ny amin'ny fahasalaman'ny Kolonely Fanampera ankehitriny ny fianakaviany, satria nambaran'izy ireo fa mihinana fanafody isan'andro izy... • Miantso fifampiresahana amin'ireo mpisehatra politika rehetra momba ny fanomezana toromarika, amin'ny fananganana fikambanan'ny Mpanolotsain'ny Tanana sy ny Ben'ny Tanana isaky ny Distrika, ny KMF CNOE... • Hikalo ireo hiram-bavaka tsy afaka am-bavan'ny maro ao anatin'ny Fihirana FFPM, ry Rija Ramanantoanina sy ny namany...
• Mitaky ny hamotsorana ny Kolonely Fanampera, ireo manohitra ny tetikasa Base Toliara. Nametraka fepetra mialoha amin'ny fihaonana amin'ny solontenam-panjakana tonga any Toliara amin'izao, izy ireo... • Nisy tamin'ireo mpanamboatra finday amoron-dalana eny Analakely no nosamborina, anatin'ny fandaminana eny an-toerana. Fiaran'izy ireo maromaro koa no nahiditra valan-tsazy... • Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny Lalam-pirenena. Fiara mpitatitra iray no voasakana tamin'ny Lalam-pirenena faha-4, ka nitarika fahasimbana goavana...
Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco